Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Eksodosy 7:12 - Baiboly Katolika

Samy nanipy ny tehiny avy izy, dia mba samy nanjary bibilava koa. Saingy natelin’ny tehin’i Aarôna avokoa ny tehin’izy ireo.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Dia samy nanipy ny tehiny avy izy ireo ka tonga menarana ireny. Nefa natelin’ny tehin’i Arona ny tehin’ireo.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Samy nanipy ny tehiny tamin’ny tany avy izy ka nanjary fanàny ireny. Saingy ny tehin’i Aharôna dia nitelina ny tehin’ireo.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Samy nanipy ny tehiny tamin’ny tany avy izy ka nanjary fanàny ireny. Saingy ny tehin’i Aharôna dia nitelina ny tehin’ireo.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Fa samy nanipy ny tehiny avy izy ireo, ka tonga menarana ireny; nefa ny tehin’i Arona nitelina ny tehin’ireo.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Fa samy nanipy ny tehiny avy izy ireo, ka tonga menarana ireny; nefa ny tehin'i Arona nitelina ny tehin'ireo.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Dia samy nanipy ny tehiny avy izy ireo ka tonga menarana ireny. Nefa natelin’ny tehin’i Arona ny tehin’ireo.

Jereo ny toko



Eksodosy 7:12
9 Rohy Ifampitohizana  

Fa mba nantsoin’i Faraôna kosa ny olon-kendriny sy ny mpimasiny ary ny mpanao ody any Ejipta, dia mba nahavita torak’izany koa, tamin’ny fankatoavany.


Ka nihamafy ny fon’i Faraôna, fa tsy nihaino an’i Môizy sy i Aarôna izy, araka ny efa voalazan’i Iaveh rahateo.


Tsy afaka niseho teo anatrehan’i Môizy ny mpanao ody azon’ny vay; fa voan’ny vay ny mpanao ody sahala amin’ny Ejipsiana rehetra koa.


kanefa tsy handroso intsony izy, fa hiharihary amin’ny olona rehetra tahaka ny azy roa lahy ireo koa ny hadalany.


Avy amin’Andriamanitra ianareo, anaka, sady efa nandresy an’ireny, satria lehibe Izay ao aminareo noho izay ao amin’izao tontolo izao.