Hitan’ny mpanoratry ny zanak’i Israely fa efa mandry andriran’antsy izy, fa ilazana hoe: «Ny birikinareo tsy handatsahana, fa isan’andro dia ho latasy toraky ny fanao isan’andro ihany.»
Eksodosy 5:20 - Baiboly Katolika Ary izy nahita an’i Môizy sy i Aarôna, izay efa tao rahateo, miandry azy ireo hivoaka avy ao amin’i Faraôna, Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Koa rehefa niala avy tao amin’i Farao izy ireo dia tafahaona tamin’i Mosesy sy i Arona izay nijanona niandry azy. DIEM PROTESTANTA Koa vantany vao nivoaka avy tao amin’ny Farao ry zareo, dia nandeha nihaona tamin’i Mosesy sy i Aharôna izay efa niandry azy rahateo; Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Koa vantany vao nivoaka avy tao amin’ny Farao ry zareo, dia nandeha nihaona tamin’i Mosesy sy i Aharôna izay efa niandry azy rahateo; Baiboly Protestanta Malagasy Ary izy ireo dia nihaona tamin’i Mosesy sy Arona, izay nijanona niandry azy, raha avy tany amin’i Farao izy; Malagasy Bible Ary izy ireo dia nihaona tamin'i Mosesy sy Arona, izay nijanona niandry azy, raha avy tany amin'i Farao izy; La Bible en Malgache Koa rehefa niala avy tao amin’i Farao izy ireo dia tafahaona tamin’i Mosesy sy i Arona izay nijanona niandry azy. |
Hitan’ny mpanoratry ny zanak’i Israely fa efa mandry andriran’antsy izy, fa ilazana hoe: «Ny birikinareo tsy handatsahana, fa isan’andro dia ho latasy toraky ny fanao isan’andro ihany.»
ka nilaza taminy hoe: «Aoka i Iaveh no hahita anareo sy hitsara; fa ny fitia azonay tamin’i Faraôna sy ny mpanompony nataonareo mody halavolo, ary notoloranareo sabatra eo an-tanany izy hamonoana anay.»