Dia nifampilaza izy nanao hoe: «Andeha isika hanao biriky, ka handoro azy amin’ny afo.» Dia biriky no nataony solom-bato, ary ditin-tany no nataony solon-tsimenitra.
Eksodosy 5:16 - Baiboly Katolika Tsy omena mololo akory ny mpanomponao nefa atao hoe: Manaova biriky, ka indro fa voakapoka ny mpanomponao, ary ny vahoakanao tonga diso amin’izany.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Tsy omena mololo tsinona izahay mpanomponao, nefa mbola tenenina ihany izahay hoe: Ataovy ny biriky! Ary indro izahay mpanomponao foana no nokapohina nefa ny vahoakanao no diso! DIEM PROTESTANTA Tsy omena mololo izahay kanefa asaina manao biriky ihany. Ary jereo fa nokapohina izahay mpanomponao, ka heloky ny vahoakanao izao! Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Tsy omena mololo izahay kanefa asaina manao biriky ihany. Ary jereo fa nokapohina izahay mpanomponao, ka heloky ny vahoakanao izao! Baiboly Protestanta Malagasy Tsy omena mololo tsinona izahay mpanomponao, nefa mbola asaina manao biriky ihany; ary, indreto, izahay mpanomponao no kapohina, ka manota ny vahoakanao. Malagasy Bible Tsy omena mololo tsinona izahay mpanomponao, nefa mbola asaina manao biriky ihany; ary, indreto, izahay mpanomponao no kapohina, ka manota ny vahoakanao. La Bible en Malgache Tsy omena mololo tsinona izahay mpanomponao, nefa mbola tenenina ihany izahay hoe: Ataovy ny biriky! Ary indro izahay mpanomponao foana no nokapohina nefa ny vahoakanao no diso! |
Dia nifampilaza izy nanao hoe: «Andeha isika hanao biriky, ka handoro azy amin’ny afo.» Dia biriky no nataony solom-bato, ary ditin-tany no nataony solon-tsimenitra.
«Ikaky nampahavesatra ny jioganareo, fa izaho kosa vao mainka hanavesatra ny jioganareo; kotopia no namaizan’ikaky anareo, fa maingoka kosa no hamaizako anareo.»
Koa lasa nitaraina tany amin’i Faraôna ny mpanoratry ny zanak’i Israely nanao hoe: «Nahoana ianao no dia manao toy izany amin’ny mpanomponao?
Fa hoy kosa i Faraôna: «Olona kamo ianareo; olona kamo! Ka izany no ilazanareo hoe: Maniry ta-handeha hanolotra sorona amin’i Iaveh izahay.
Nitodika aho dia nahita ny fampahoriana rehetra atao atỳ ambany masoandro: ao ny ampahoriana, vonton-dranomaso, ary tsy misy olona manala alahelo azy. Iharan’ny fanaovana an-kerin’ireo mpampahory azy, ary tsy misy olona manala alahelo azy.
Toy izao ny amin’ny fahaterahanao: tamin’ny andro nahaterahanao ianao tsy voatapaka tadim-poitra, tsy voampandro tamin’ny rano hadio, tsy voahosotra sira, tsy voahodidina lamban-jaza.