«Omeo didy ny zanak’i Israely hitondra aminao diloilon’ôliva voatoto, hatao jiro hamelona ny lalampy lalandava.
Eksodosy 40:4 - Baiboly Katolika Dia hoentinao ny latabatra, ka halahatrao eo amboniny izay tsy maintsy hatao eo; hoentinao ny fanaovan-jiro dia hapetrakao eo amboniny ny lalampiny. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ento ny latabatra ka alaharo izay eo amboniny; ento koa ny fitoeran-jiro ka ampireheto ny jiro. DIEM PROTESTANTA Ao no haiditra ny latabatra voatokana ka halamina eo amboniny ny mofo fanolotra ho Ahy; ao koa no haiditra ny fitoeran-jiro ka harehitra ny jirony. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ao no haiditra ny latabatra voatokana ka halamina eo amboniny ny mofo fanolotra ho Ahy; ao koa no haiditra ny fitoeran-jiro ka harehitra ny jirony. Baiboly Protestanta Malagasy Ary ampidiro ny latabatra, ka alaharo izay halahatra eo amboniny; ary ampidiro ny fanaovan-jiro, ka ampireheto ny jiro. Malagasy Bible Ary ampidiro ny latabatra, ka alaharo izay halahatra eo amboniny; ary ampidiro ny fanaovan-jiro, ka ampireheto ny jiro. La Bible en Malgache Ento ny latabatra ka alaharo izay eo amboniny; ento koa ny fitoeran-jiro ka ampireheto ny jiro. |
«Omeo didy ny zanak’i Israely hitondra aminao diloilon’ôliva voatoto, hatao jiro hamelona ny lalampy lalandava.
Halahatra tsy tapaka isan’andro sabata ireo mofo ireo avy amin’ny zanak’i Israely, eo anatrehan’i Iaveh: fanekem-pihavanana maharitra lalandava izany.