Fa mbola tsy nitoetra an-trano Aho, hatramin’ny nitondrako ny zanak’i Israely nivoaka avy tany Ejipta ka mandraka androany, fa izao nifindrafindra tamin-day sy tamin-tabernakla izao.
Eksodosy 40:38 - Baiboly Katolika Fa ny rahon’i Iaveh dia nijanona teo ambonin’ny Fonenana, raha antoandro ny andro, ary amin’ny alina dia nisy afo, hitan’ny taranak’i Israely rehetra, teo amin’ny rahona, mandritra ny andro rehetra nandehanany. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Fa ny rahon’NY TOMPO dia teo ambonin’ny tabernakely nony andro ary nisy afo teo aminy nony alina, teo imason’ny taranak’Israely rehetra, tamin’ny toerana rehetra nalehany. DIEM PROTESTANTA Nandritra ny dia rehetra nataon’ny Israelita, dia nandrakotra ny fonena-masina ilay rahona nony antoandro ary nisy afo mazava teo aminy nony alina; izany no nanehoan’ny TOMPO fa teo anatrehan’ny Israelita rehetra hatrany Izy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Nandritra ny dia rehetra nataon’ny Israelita, dia nandrakotra ny fonena-masina ilay rahona nony antoandro ary nisy afo mazava teo aminy nony alina; izany no nanehoan’ny TOMPO fa teo anatrehan’ny Israelita rehetra hatrany Izy. Baiboly Protestanta Malagasy Fa ny rahon’i Jehovah dia teo ambonin’ny tabernakely nony andro, ary nisy afo teo aminy nony alina, teo imason’ny taranak’Isiraely rehetra, tamin’ny nandehanany rehetra. Malagasy Bible Fa ny rahon'i Jehovah dia teo ambonin'ny tabernakely nony andro, ary nisy afo teo aminy nony alina, teo imason'ny taranak'Isiraely rehetra, tamin'ny nandehanany rehetra. La Bible en Malgache Fa ny rahon’NY TOMPO dia teo ambonin’ny tabernakely nony andro ary nisy afo teo aminy nony alina, teo imason’ny taranak’Israely rehetra, tamin’ny toerana rehetra nalehany. |
Fa mbola tsy nitoetra an-trano Aho, hatramin’ny nitondrako ny zanak’i Israely nivoaka avy tany Ejipta ka mandraka androany, fa izao nifindrafindra tamin-day sy tamin-tabernakla izao.
I Iaveh nandeha teo alohany amin’ny andry rahona raha antoandro hitari-dalana azy, ary amin’ny andry afo nony alina, mba ho afaka handeha, na andro na alina izy.
Tsy niala teo alohan’ny vahoaka ny andry rahona raha antoandro, sy ny andry afo nony alina.
Ary rehefa niala tamin’ny toby izy ireo, dia eo amboniny mandritra ny andro ny rahon’i Iaveh.
Tsy hamelany hisy tra-maraina izy, ary tsy hotapahiny ny taolany. Ho araka ny fitsipika rehetra momba ny Paka no hankalazany azy.
Tamin’ny andro nananganana ny Fonenana, dia nosaronan’ny rahona ny Fonenana, dia ny trano lain’ny vavolombelona izany: nisy zavatra mitarehin’afo teo ambonin’ny Fonenana hatramin’ny hariva ka mandra-paharain’ny andro.
Toy izany ihany hatrany hatrany: ny rahona nanarona ny Fonenana ary nitarehin’afo izy amin’ny alina.