Eksodosy 40:37 - Baiboly Katolika fa tsy niainga kosa izy ireo raha tsy niakatra ny rahona, mandra-pahatongan’ny andro niakaran’ny rahona indray. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Fa raha tsy niakatra kosa ny rahona dia tsy niainga izy, mandra-piavin’izay andro hiakarany indray. DIEM PROTESTANTA Raha tsy nihetsika ny rahona, dia tsy nifindra ry zareo fa niandry ny andro hiakaran’ny rahona indray. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Raha tsy nihetsika ny rahona, dia tsy nifindra ry zareo fa niandry ny andro hiakaran’ny rahona indray. Baiboly Protestanta Malagasy fa raha tsy niakatra ny rahona, dia tsy nifindra izy, mandra-piavin’izay andro hiakarany. Malagasy Bible fa raha tsy niakatra ny rahona, dia tsy nifindra izy, mandra-pihavin'izay andro hiakarany. La Bible en Malgache Fa raha tsy niakatra kosa ny rahona dia tsy niainga izy, mandra-piavin’izay andro hiakarany indray. |