Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Eksodosy 37:3 - Baiboly Katolika

Nandrendrika masom-bolamena efatra ho azy izy, nataony tamin’ny tongony efatra: masom-bolamena roa tamin’ny ilany iray, masom-bolamena roa tamin’ny ilany iray hafa.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Nandrendrika mason-drojo volamena efatra hatao aminy koa izy ka nataony teo amin’ny tongony efatra, dia roa no teo amin’ny lafiny iray, ary mason-drojo roa no teo amin’ny lafiny iray koa.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Notefeny ny haba volamena efatra ka naraikiny teo amin’ny zorony efatry ny Vatamasina, dia samy roa an-daniny avy.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Notefeny ny haba volamena efatra ka naraikiny teo amin’ny zorony efatry ny Vatamasina, dia samy roa an-daniny avy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary nandrendrika vava volamena efatra hatao aminy izy, ka nataony teo amin’ny tongony efatra: dia vava vola roa teo amin’ny lafiny iray, ary vava vola roa teo amin’ny lafiny iray koa.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary nandrendrika vava volamena efatra hatao aminy izy, ka nataony teo amin'ny tongony efatra: dia vava vola roa teo amin'ny lafiny iray, ary vava vola roa teo amin'ny lafiny iray koa.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Nandrendrika mason-drojo volamena efatra hatao aminy koa izy ka nataony teo amin’ny tongony efatra, dia roa no teo amin’ny lafiny iray, ary mason-drojo roa no teo amin’ny lafiny iray koa.

Jereo ny toko



Eksodosy 37:3
5 Rohy Ifampitohizana  

Ary ny taranak’i Levì, dia nilanja ny fiaran’Andriamanitra tamin’ny baony, araka ny nandidian’i Môizy, araka ny tenin’i Iaveh.


Ny elatr’ireo kerobima nivelatra tambonin’ny fitoeran’ny fiara dia nanaloka ny fiara mbamin’ny baony teo amboniny.


Nopetahany takela-bolamena madio ny atiny sy ny ivelany, nasiany tanjo-miolaka volamena ny manodidina azy.


Nanao bao tamin’ny hazo akasià izy, ary nopetahany takela-bolamena.


Dia hoy ny navaliko azy: «Ianao no mahalala, Tompoko.» Ary hoy izy tamiko: «Ireo no avy tamin’ny fampijaliana lehibe, nanasa sy namotsy ny akanjony tamin’ny Ran’ny Zanak’ondry.