Eksodosy 37:29 - Baiboly Katolika Dia nanao ny diloilo fanosorana masina izy, sy ny zava-manitra fanembohana, vita araka ny fahaizana momba ny fanaovan-java-manitra. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Nanao ny diloilo fanosorana masina izy, mbamin’ny zava-manitra manentona tsy miharo, asan’ny mpanao haro manitra. DIEM PROTESTANTA Mpamboatra zava-manitra no nanao ny ilomasina fampiasa amin’ny fanokanana mbamin’ny vovo-javamanitra hodorana eo amin’ny alitara. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Mpamboatra zava-manitra no nanao ny ilomasina fampiasa amin’ny fanokanana mbamin’ny vovo-javamanitra hodorana eo amin’ny alitara. Baiboly Protestanta Malagasy Ary nanao ny diloilo fanosorana masina izy, sy ny zava-manitra manetona madio, asan’ny mpangaroharo zava-manitra. Malagasy Bible Ary nanao ny diloilo fanosorana masina izy, sy ny zava-manitra manetona madio, asan'ny mpangaroharo zava-manitra. La Bible en Malgache Nanao ny diloilo fanosorana masina izy, mbamin’ny zava-manitra manentona tsy miharo, asan’ny mpanao haro manitra. |
Mamelatra latabatra eo anoloako, eo imason’ny fahavaloko Ianao, feno mitafotafo ny kapoakako.
Fa indreo ny fahavalonao, ry Iaveh, indreo levona ny fahavalonao, mihahaka avokoa izay manao ratsy.
Fatin-dalitra mahamaimbo sy manimba ny diloilon’ny mpanao zava-manitra; tahaka izany koa ny fahadalana kely mahaleo ny fahendrena amam-boninahitra.
Hitoetra eo aminy ny Fanahin’i Iaveh, dia ny fanahin’ny fahendrena amam-pahazavan-tsaina, fanahin’ny fifidianana amam-paherezana, fanahin’ny fahalalana amam-pahatahorana an’i Iaveh.
Ato amiko ny fanahin’i Iaveh, Tompo, satria voahosotr’i Iaveh aho; nirahiny hitondra teny soa mahafaly amin’ny mahantra, hamehy ny ferin’ireo torotoro fo; hampandre ny babo fa afaka sy ny ao an-tranomaizina fa alefa;
Hitondra ho an’ny tra-pahoriana ao Siôna sy hanasatroka azy ny satroboninahitra ho solon’ny lavenona, diloilo fifaliana ho solon’ny fisaonana akanjo firavoravoana, ho solon’ny fahareraham-po; dia hantsoin’ny olona hoe: terebintan’ny fahamarinana, volin’i Iaveh ho an’ny voninahiny.
Satria izay nirahin’Andriamanitra dia milaza ny tenin’Andriamanitra fa tsy misy fetrany no fanomen’Andriamanitra ny Fanahy.
Tamin’ny andron’ny nofony, nony nanolotra fivavahana sy fifonana nombam-pitarainana mafy sy ranomaso be tamin’Ilay nahavonjy Azy tamin’ny fahafatesana Izy sady nohenoiny noho ny fahatahorany an’Andriamanitra,
Noho izany koa, dia mahavonjy marimarina izay manatona an’Andriamanitra amin’ny alalany Izy, satria velona mandrakizay hanao fifonana ho azy ireo.
Ary ianareo, ilay fanosorana noraisinareo taminy no mitoetra ao aminareo, ka tsy mila hampianarin’olona ianareo, fa izany fanosorana izany no mampianatra anareo ny zavatra rehetra, ary marina fa tsy lainga ny fampianarany, ka tomoera ao aminy araka ny fampianarany anareo.