Nisondrotra tao am-pony izaitsizy anefa izy, nony tonga nahery, ka nahafongotra azy izany. Nanota tamin’i Iaveh Andriamaniny izy, fa niditra tao an-tempolin’i Iaveh izy, handoro zava-manitra eo ambony ôtely fandoroan-java-manitra.
Eksodosy 37:25 - Baiboly Katolika Hazo akasià no nanaovany ny ôtely fandoroan-java-manitra; iray hakiho ny lavany, iray hakiho ny sakany, efa-joro mitovy lafiny efatra, ary roa hakiho ny haavony, iray aminy ny tandrony. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary nanao ny alitara fandoroana ditin-kazo manitra tamin’ny hazo akasia izy: Iray hakiho avy ny lafiny efatra, dia efa-joro tsy mivadi-mandry izany; ary roa hakiho ny haavony; nataony miray aminy ny tandrony. DIEM PROTESTANTA Namboarina tamin’ny hazo mimôzà ny alitara iray ho fandoroana vovo-javamanitra. Efamira izy io, ka nirefy dimampolo santimetatra avy ny lafiny tsirairay, ary iray metatra ny haavony. Nisy tandrony avy teo amin’ny zorony efatra ambony ary natao miray aminy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Namboarina tamin’ny hazo mimôzà ny alitara iray ho fandoroana vovo-javamanitra. Efamira izy io, ka nirefy dimampolo santimetatra avy ny lafiny tsirairay, ary iray metatra ny haavony. Nisy tandrony avy teo amin’ny zorony efatra ambony ary natao miray aminy. Baiboly Protestanta Malagasy Ary nanao ny alitara fandoroana ditin-kazo manitra tamin’ny hazo akasia izy: iray hakiho avy ny lafiny efatra, dia efa-joro tsy mivadi-mandry izy; ary roa hakiho ny hahavony; ary nataony miray aminy ny tandrony. Malagasy Bible Ary nanao ny alitara fandoroana ditin-kazo manitra tamin'ny hazo akasia izy: iray hakiho avy ny lafiny efatra, dia efa-joro tsy mivadi-mandry izy; ary roa hakiho ny hahavony; ary nataony miray aminy ny tandrony. La Bible en Malgache Ary nanao ny alitara fandoroana ditin-kazo manitra tamin’ny hazo akasia izy: Iray hakiho* avy ny lafiny efatra, dia efa-joro tsy mivadi-mandry izany; ary roa hakiho ny haavony; nataony miray aminy ny tandrony. |
Nisondrotra tao am-pony izaitsizy anefa izy, nony tonga nahery, ka nahafongotra azy izany. Nanota tamin’i Iaveh Andriamaniny izy, fa niditra tao an-tempolin’i Iaveh izy, handoro zava-manitra eo ambony ôtely fandoroan-java-manitra.
ny latabatra sy ny fanaka momba azy, ny fanaovan-jiro volamena madio sy ny fanaka rehetra momba azy, ny ôtely fandoroan-java-manitra,
ny ôtely fandoroan-java-manitra mbamin’ny baony, ny diloilo fanosorana, ny zava-manitra fanembohana, ny varavarana lamba amin’ny fidirana ho ao amin’ny Fonenana,
Volamena madio talenta iray no lany nanaovana ny fanaovan-jiro mbamin’ny fanaka rehetra momba azy.
Nopetahany takela-bolamena madio izy dia ny tampony, ny lafiny manodidina, ny tandrony; ary asiany tanjo-miolaka volamena manodidina.
Hataonao eo anoloan’ny fiaran’ny vavolombelona ny ôtely volamena fandoran-java-manitra, ary hataonao eo amin’ny fidirana ao amin’ny Fonenana ny varavarana lamba.
Ry jamba, iza no ambonimbony kokoa, ny fanatitra sa ny ôtely izay mahamasina ny fanatitra?
Noho izany koa, dia mahavonjy marimarina izay manatona an’Andriamanitra amin’ny alalany Izy, satria velona mandrakizay hanao fifonana ho azy ireo.
ny ôtely volamena fandoroana emboka manitra, ny fiaran’ny fanekena voasarona volamena avokoa, izay nisy ny siny volamena nitoeran’ny mana, sy ny tehin’i Aarôna izay nitsimoka, ary ny vato fisaka nisy ny fanekena.
ary ianareo koa dia mirafeta eo amboniny, toy ny vato velona, mba hitsangana ho tempoly fanahy, ho mpisorona masina, ka hanolotra fanati-panahy ankasitrahin’Andriamanitra, amin’ny alalan’i Jesoa Kristy.