Nidina i Iaveh nankeo an-tendrombohitra Sinaia, dia teo an-tampon’ny tendrombohitra izany; ary i Iaveh niantso an’i Môizy ho eo an-tampon’ny tendrombohitra, dia niakatra i Môizy.
Eksodosy 34:4 - Baiboly Katolika Dia nipaika takelaka vato roa tahaka ireo voalohany i Môizy; ka nifoha maraina koa, niakatra ny tendrombohitra Sinaia, araka ny nandidian’i Iaveh azy; nentiny teny an-tanany ny takelaka vato roa. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia nipaika vato fisaka roa tahaka ilay teo aloha i Mosesy, ary nifoha vao maraina izy ka niakatra tao amin’ny tendrombohitra Sinay, araka izay nandidian’NY TOMPO azy; ary noentiny teny an-tanany ny vato fisaka roa. DIEM PROTESTANTA Dia nanamboatra vatofisaka roa mitovy amin’ny teo aloha i Mosesy. Ny ampitso vao maraina dia niakatra teny Sinay araka ny baiko nomen’ny TOMPO azy izy, sady nitondra ireo vatofisaka roa. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia nanamboatra vatofisaka roa mitovy amin’ny teo aloha i Mosesy. Ny ampitso vao maraina dia niakatra teny Sinay araka ny baiko nomen’ny TOMPO azy izy, sady nitondra ireo vatofisaka roa. Baiboly Protestanta Malagasy Dia nanamboatra vato fisaka roa tahaka ilay teo Mosesy, ary nifoha maraina koa izy ka niakatra tao amin’ny tendrombohitra Sinay, araka izay nandidian’i Jehovah azy; ary nentiny teny an-tànany ny vato fisaka roa. Malagasy Bible Dia nanamboatra vato fisaka roa tahaka ilay teo Mosesy, ary nifoha maraina koa izy ka niakatra tao amin'ny tendrombohitra Sinay, araka izay nandidian'i Jehovah azy; ary nentiny teny an-tànany ny vato fisaka roa. La Bible en Malgache Dia nipaika vato fisaka roa tahaka ilay teo aloha i Mosesy, ary nifoha vao maraina izy ka niakatra tao amin’ny tendrombohitra Sinay, araka izay nandidian’NY TOMPO azy; ary noentiny teny an-tanany ny vato fisaka roa. |
Nidina i Iaveh nankeo an-tendrombohitra Sinaia, dia teo an-tampon’ny tendrombohitra izany; ary i Iaveh niantso an’i Môizy ho eo an-tampon’ny tendrombohitra, dia niakatra i Môizy.
Niakatra ho ao amin’Andriamanitra i Môizy, dia nantsoin’i Iaveh tao antampon-tendrombohitra izy, ka nilazany hoe: «Izao no holazainao amin’ny taranak’i Jakôba sy hambaranao amin’ny zanak’i Israely:
Asan-tanan’Andriamanitra ireo takelaka ireo, ary ny soratra dia soratr’Andriamanitra voasikotra tamin’ny takelaka.
Ary hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Manaova takelaka vato roa tahaka ireo voalohany ka hanoratako ny teny izay efa teo amin’ireo takelaka voalohany notorotoroinao.
«Tamin’izany andro izany dia hoy i Iaveh tamiko: Mandidia takela-bato roa tahaka ireo voalohany, ka miakara ho atỳ amiko atỳ an-tendrombohitra, ary manaova koa fiara hazo anankiray,
Dia nanao fiara anankiray tamin’ny hazo akasià aho, sy nandidy takela-bato roa tahaka ireo voalohany dia niakatra tany an-tendrombohitra nitondra ny takelaka roa teny an-tanako.