Fa hoy ny navalin’i Mikea: «Velona i Iaveh! Dia izay holazain’i Iaveh amiko ihany no hambarako koa.»
Eksodosy 34:32 - Baiboly Katolika Vao izay vao nanatona koa ny zanak’i Israely rehetra, ka nomeny azy ny didy rehetra noraisiny tamin’i Iaveh tany an-tendrombohitra Sinaia. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Taorianan’izany dia nanakaiky koa ny Zanak’Israely rehetra; ary nandidy azy ireo i Mosesy araka izay rehetra nolazain’NY TOMPO taminy tao amin’ny tendrombohitra Sinay. DIEM PROTESTANTA Avy eo dia nanatona koa ny Israelita sisa rehetra, ka nampitain’i Mosesy taminy ny baiko rehetra izay nandidian’ny TOMPO azy tao an-tendrombohitra Sinay. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Avy eo dia nanatona koa ny Israelita sisa rehetra, ka nampitain’i Mosesy taminy ny baiko rehetra izay nandidian’ny TOMPO azy tao an-tendrombohitra Sinay. Baiboly Protestanta Malagasy Ary rehefa afaka izany, dia nanakaiky koa ny Zanak’Isiraely rehetra; ary Mosesy nandidy azy araka izay rehetra nolazain’i Jehovah taminy tao amin’ny tendrombohitra Sinay. Malagasy Bible Ary rehefa afaka izany, dia nanakaiky koa ny Zanak'Isiraely rehetra; ary Mosesy nandidy azy araka izay rehetra nolazain'i Jehovah taminy tao amin'ny tendrombohitra Sinay. La Bible en Malgache Taorianan’izany dia nanakaiky koa ny Zanak’Israely rehetra; ary nandidy azy ireo i Mosesy araka izay rehetra nolazain’NY TOMPO taminy tao amin’ny tendrombohitra Sinay. |
Fa hoy ny navalin’i Mikea: «Velona i Iaveh! Dia izay holazain’i Iaveh amiko ihany no hambarako koa.»
Dia tonga i Môizy, nitondra tamin’ny vahoaka ny tenin’i Iaveh rehetra sy ny lalàna rehetra, ka indray niredona ny vahoaka ka namaly hoe: «Izay teny rehetra voalazan’i Iaveh dia hotanterahinay avokoa».
Nantsoin’i Môizy ireo, ka nanatona azy i Aarôna sy ny loholona rehetra amin’ny fiangonana ka niresaka tamin’ireo izy.
Ary novorin’i Môizy ny fiangonan’i Israely rehetra ka nilazany hoe: «Izao no zavatra nodidian’i Iaveh hatao:
Hahatsiaro ny didiko rehetra ianareo amin’izany, ary hanaraka azy, ka ho masina ho an’ny Andriamanitrareo ianareo. Izaho no Iaveh Andriamanitrareo izay namoaka anareo tany amin’ny tany Ejipta mba ho Andriamanitrareo. Izaho no Iaveh Andriamanitrareo.»
ampianaro izy hitandrina ny zavatra rehetra nandidiako anareo. Ary indro Aho eo aminareo mandrakariva ambara-pahatongan’ny faran’izao tontolo izao.»
Fa izao no noraisiko tamin’ny Tompo sy nafindrako taminareo kosa: tamin’ny alina namadihana Azy iny i Jesoa dia nandray mofo,
Izao no zavatra nampianariko anareo ho isan’ny zavatra voalohany indrindra, araka ny nandraisako azy: maty noho ny fahotantsika i Kristy, araka ny Soratra Masina;