Nahita ireny ny zanak’i Israely dia nifanontany hoe: «Inona itony?» satria tsy fantany. Hoy i Môizy tamin’izy ireo: «Itony no mofo omen’i Iaveh ho fihinanareo.
Eksodosy 34:29 - Baiboly Katolika Nidina avy an-tendrombohitra Sinaia i Môizy, ary i Môizy nitondra ny takelaka roan’ny vavolombelona teny an-tanany nony nidina avy any an-tendrombohitra; ary tsy fantatr’i Môizy fa tonga mpandefa tsirim-pahazavana ny hodi-tavany, nandritra ny niresahiny tamin’i Iaveh. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary nidina avy eo an-tendrombohitra Sinay i Mosesy. Ary teny an-tanany ny vato roa izay nisy ny Vavolombelona tamin’izy nidina avy teo an-tendrombohitra, ary tsy fantany fa namirapiratra ny hoditry ny tavany noho ny nitenenany taminy. DIEM PROTESTANTA Dia nidina avy eny an-tendrombohitra Sinay indray i Mosesy, nitondra teny an-tanany ny vatofisaka roa misy ilay raki-tsoratry ny fanekempihavanana; tsy fantany anefa fa namirapiratra ny tarehiny noho ny niresahany tamin’Andriamanitra. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia nidina avy eny an-tendrombohitra Sinay indray i Mosesy, nitondra teny an-tanany ny vatofisaka roa misy ilay raki-tsoratry ny fanekempihavanana; tsy fantany anefa fa namirapiratra ny tarehiny noho ny niresahany tamin’Andriamanitra. Baiboly Protestanta Malagasy Ary Mosesy nidina avy tao an-tendrombohitra Sinay, ary teny an-tànany ny vato roa izay nisy ny Vavolombelona tamin’izy nidina avy teo an-tendrombohitra, ary tsy fantany ho namirapiratra ny hoditry ny tavany noho ny nitenenany taminy. Malagasy Bible Ary Mosesy nidina avy tao an-tendrombohitra Sinay, ary teny an-tànany ny vato roa izay nisy ny Vavolombelona tamin'izy nidina avy teo an-tendrombohitra, ary tsy fantany ho namirapiratra ny hoditry ny tavany noho ny nitenenany taminy. La Bible en Malgache Ary nidina avy eo an-tendrombohitra Sinay i Mosesy. Ary teny an-tanany ny vato roa izay nisy ny Vavolombelona tamin’izy nidina avy teo an-tendrombohitra, ary tsy fantany fa namirapiratra ny hoditry ny tavany noho ny nitenenany taminy. |
Nahita ireny ny zanak’i Israely dia nifanontany hoe: «Inona itony?» satria tsy fantany. Hoy i Môizy tamin’izy ireo: «Itony no mofo omen’i Iaveh ho fihinanareo.
Nony tapitra niteny tamin’i Môizy i Iaveh, tany an-tendrombohitra Sinaia dia natolony azy ny takelaka roan’ny vavolombelona, takelaka vato nosoratan’ny rantsan-tanan’Andriamanitra.
Ary i Môizy niverina nidina avy any an-tendrombohitra, nitondra teny an-tanany ny takelaka roan’ny vavolombelona, takelaka voasoratra tamin’ny lafiny roa, voasoratra tamin’ny lafiny iray sy tamin’ny lafiny iray koa.
Hitan’ny zanak’i Israely ny tarehin’i Môizy, fa nandefa tsirim-pahazavana ny hodi-tavan’i Môizy, ka dia saronan’i Môizy voaly indray ny tarehiny mandra-pidiny hiresaka amin’i Iaveh.
Iza moa no tahaka ny hendry, ary zovy no mahalala ny anton-javatra, toa azy? Ampamirapiratin’ny fahendren’ny olona ny tarehiny, ary ny tarehiny marokoroko dia voaova.
Dia niova tarehy teo anatrehany Izy; ka ny Tavany namirapiratra tahaka ny masoandro, ny fitafiany tonga fotsy mangatsakatsaka tahaka ny fahazavana.
Nony niverina indray Izy, dia nahita azy natory fa efa nilondolondo ny masony, ka tsy hitan’izy ireo izay havaly Azy.
Tamin’izay dia nisy rahona nanarona azy; ary nisy feo avy tao amin’io rahona io nanao hoe: «Ity no Zanako malalako indrindra, henoy Izy.»
Fa hoy Izy taminy: «Nahoana no nitady Ahy ianareo? Tsy fantatrareo va fa tsy maintsy ho ao amin’ny Raiko Aho?»
Raha mbola nivavaka Izy, dia niova toetra ny Tarehiny sady tonga fotsy manjopiaka ny fitafiany.
Tsy nahalala Azy anefa ilay vao sitrana, fa ny vahoaka moa betsaka, i Jesoa koa niala teo.
Dia nivoaka i Piera ka nanaraka azy; tsy fantany ho tena zavatra anefa ny nataon’ny Anjely, fa nataony ho fahitana fotsiny izany.
Ary namaly i Paoly ka nanao hoe: «Tsy fantatro ho mpisorona lehibe izy, ry rahalahy, fa voasoratra hoe: Aza manevateva ny lehiben’ny vahoaka.»
Ary raha nibanjina an’i Etienina ry zareo rehetra nipetraka tao amin’ny Sanedrìna, dia hoatra ny Anjely no fijeriny ny tarehiny.
ka tsy mba manao tahaka an’i Môizy izay nanarona ny tavany mba tsy hahitan’ny zanak’i Israely tao aminy ny hahataperan’ny fandraharahana mandalo.
Nihodina aho, dia nidina avy any an-tendrombohitra, napetrako tao anatin’ilay fiara nataoko ny takelaka, ary nipetraka tao izy araka ny nandidian’i Iaveh ahy.»
Fa nalain-dravehivavy kosa izy roa lahy ka nafeniny, dia hoy izy: «Tonga teto amiko tokoa ireny lehilahy ireny, nefa tsy fantatro na avy aiza na avy aiza izy;
Vao nahita izany ny mpanjakan’i Haia dia nifoha maraina koa faingana ny lehilahy tao an-tanàna ka nivoaka hitsena an’i Israely. Nandroso niaraka tamin’ny vahoaka rehetra ny mpanjaka nankeo amin’ny toerana nifanekena tandrifin’ny lohasaha, fa tsy nahalala hoe misy otrika hamely azy ao ivohon’ny tanàna.
Ny tanany havanana nitana kintana fito, ny vavany nivoahan-tsabatra marani-dany roa, ary ny tarehiny toy ny masoandro mamirapiratra amin’ny heriny indrindra.
Dia nahita Anjely anankiray hafa koa aho, nidina avy any an-danitra ka rahona no nitafiany, avana no teo ambony lohany, tahaka ny masoandro ny tarehiny, ary sahala amin’ny andry afo ny tongony.
Ka hoy izy: «Irotsahan’ny Filistinina ianao, ry Samsôna!» Dia taitra tamin’ny torimasony izy, ka nanao hoe: «Ho afaka amin’izao toy ny taloha ihany aho, dia hitsoaka»; satria tsy fantany fa efa niala taminy i Iaveh.