Ka hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Soraty izany ho fahatsiarovana amin’ny boky; ary ambarao amin’i Jôsoe fa hofoanako eo ambanin’ny lanitra ny fahatsiarovana an’i Amaleka».
Eksodosy 34:27 - Baiboly Katolika Dia hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Soratinao ireo teny ireo, fa araka ireo teny ireo no anaovako fanekena aminao sy amin’i Israely.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Farany, hoy NY TOMPO tamin’i Mosesy: Soraty ireo teny ireo, fa araka ireo teny ireo no nanaovako fanekena aminao sy amin’ny Israely. DIEM PROTESTANTA Mbola nandidy an’i Mosesy koa ny TOMPO hoe: –Soraty ireto didy ireto fa fototry ny fanekempihavanana ataoko aminao sy ny vahoaka israelita. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Mbola nandidy an’i Mosesy koa ny TOMPO hoe: –Soraty ireto didy ireto fa fototry ny fanekempihavanana ataoko aminao sy ny vahoaka israelita. Baiboly Protestanta Malagasy Ary hoy Jehovah tamin’i Mosesy: Soraty ireo teny ireo, fa araka ireo teny ireo no nanaovako fanekena aminao sy amin’ny Isiraely. Malagasy Bible Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Soraty ireo teny ireo, fa araka ireo teny ireo no nanaovako fanekena aminao sy amin'ny Isiraely. La Bible en Malgache Farany, hoy NY TOMPO tamin’i Mosesy: Soraty ireo teny ireo, fa araka ireo teny ireo no nanaovako fanekena aminao sy amin’ny Israely. |
Ka hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Soraty izany ho fahatsiarovana amin’ny boky; ary ambarao amin’i Jôsoe fa hofoanako eo ambanin’ny lanitra ny fahatsiarovana an’i Amaleka».
Nosoratan’i Môizy avokoa ny tenin’i Iaveh. Dia nifoha maraina koa izy, nanorina ôtely teo ampototry ny tendrombohitra sy nanangana tsangam-bato roa ambin’ny folo ho an’ny fokon’i Israely roa ambin’ny folo.
Izay vao nalainy ny bokin’ny fanekena ary novakiny teo anatrehan’ny vahoaka, izay namaly hoe: «Hataonay sy hoekenay avokoa izay rehetra voalazan’i Iaveh.»
Dia hoy i Iaveh: «Indro manao fanekem-pihavanana Aho: Hanao zava-mahagaga eo anatrehan’ny vahoakanao rehetra Aho; ka tsy mbola nisy nanaovana toy izany, na tany aiza na tany aiza, na firenena aiza na firenena aiza; ka ny vahoakanao manodidina anao hahita ny asan’i Iaveh; fa mahatsiravina tokoa ny zavatra hataoko miaraka aminao.»
Nosoratan’i Môizy izany lalàna izany, dia natolony tamin’ny mpisorona, taranak’i Levì mpitondra ny fiaran’ny faneken’i Iaveh, mbamin’ny loholon’i Israely rehetra.
Namoaka ny fanekeny izay nodidiany hotandremanareo Izy, dia ny Didy Folo; ary nosoratany tamin’ny takelaka vato roa izany.