Aoka ho voaomana amin’ny andro fahatelo izy, fa hidina eo an-tampon’ny tendrombohitra Sinaia, eo imason’ny vahoaka rehetra i Iaveh, amin’ny andro fahatelo.
Eksodosy 34:2 - Baiboly Katolika Aoka ho vonona ho amin’ny ampitso, dia hiakatra ianao raha vao maraina, ho any an-tendrombohitra Sinaia ka hijanona eo anatrehako ao an-tampon’ny tendrombohitra. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 ary aoka ho vonona ianao mandra-paharain’ny andro; dia miakara ho ao amin’ny tendrombohitra Sinay rehefa maraina ka mitsangàna eo anatrehako ao an-tampon’ny tendrombohitra. DIEM PROTESTANTA Mivonòna ianao ho amin’ny rahampitso maraina; ka vao maraina dia miakara any an-tampon’ny tendrombohitra Sinay, ary andraso eo Aho. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Mivonòna ianao ho amin’ny rahampitso maraina; ka vao maraina dia miakara any an-tampon’ny tendrombohitra Sinay, ary andraso eo Aho. Baiboly Protestanta Malagasy ary aoka hivonona hianao mandra-pahamaraina; dia miakara raha maraina ho ao amin’ny tendrombohitra Sinay, ka mitsangàna eo anatrehako ao an-tampon’ny tendrombohitra. Malagasy Bible ary aoka hivonona ianao mandra-pahamaraina; dia miakara raha maraina ho ao amin'ny tendrombohitra Sinay, ka mitsangana eo anatrehako ao an-tampon'ny tendrombohitra. La Bible en Malgache ary aoka ho vonona ianao mandra-paharain’ny andro; dia miakara ho ao amin’ny tendrombohitra Sinay rehefa maraina ka mitsangàna eo anatrehako ao an-tampon’ny tendrombohitra. |
Aoka ho voaomana amin’ny andro fahatelo izy, fa hidina eo an-tampon’ny tendrombohitra Sinaia, eo imason’ny vahoaka rehetra i Iaveh, amin’ny andro fahatelo.
Nivoa-tsetroka ny tendrombohitra Sinaia manontolo, satria tanaty afo no nidinan’i Iaveh nankeo amboniny, ka nipololotra toy ny avy amin’ny lafaoro lehibe ny setroka, ary nihovotrovotra iray ihany ny tendrombohitra manontolo.
Nidina i Iaveh nankeo an-tendrombohitra Sinaia, dia teo an-tampon’ny tendrombohitra izany; ary i Iaveh niantso an’i Môizy ho eo an-tampon’ny tendrombohitra, dia niakatra i Môizy.
Ary hoy i Iaveh taminy: «Mandehana midina aloha, izay vao hiakatra indray miaraka amin’i Aarôna: fa ny mpisorona sy ny vahoaka, aoka tsy hihoatra ny faritra hankatỳ amin’i Iaveh fandrao vonoiny».
Ary hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Miakara atỳ amiko eto an-tendrombohitra ka mijanòna eo, fa homeko anao ny vato fisaka, ny didy aman-dalàna nosoratako hampianarina azy ireo.»
Niankohoka teo anatrehan’i Iaveh ihany aho, nandritra ny efapolo andro sy efapolo alina, izay niankohofako; satria efa nilaza handringana anareo i Iaveh.