Fa hoy kosa ny anankiray tamin’izy ireo: «Aoka mba hiaraka amin’ny mpanomponao koa ianao.» Ary namaly izy hoe: «Handeha aho»; ka dia lasa niaraka taminy izy.
Eksodosy 33:15 - Baiboly Katolika Ka hoy i Môizy: «Raha tsy handeha ny Tavanao dia aza mampiala anay eto. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Fa hoy i Mosesy taminy: Raha tsy ny tenanao mihitsy no handeha dia aza mitondra anay hiakatra hiala atỳ. DIEM PROTESTANTA Fa hoy indray i Mosesy taminy: –Raha tsy Ianao mihitsy no handeha hiaraka aminay, dia aza mibaiko anay hiala eto. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Fa hoy indray i Mosesy taminy: –Raha tsy Ianao mihitsy no handeha hiaraka aminay, dia aza mibaiko anay hiala eto. Baiboly Protestanta Malagasy Fa hoy Mosesy taminy: Raha tsy handeha ny Tavanao, dia aza mitondra anay hiakatra hiala atỳ. Malagasy Bible Fa hoy Mosesy taminy: Raha tsy handeha ny Tavanao, dia aza mitondra anay hiakatra hiala atỳ. La Bible en Malgache Fa hoy i Mosesy taminy: Raha tsy ny tenanao mihitsy no handeha dia aza mitondra anay hiakatra hiala atỳ. |
Fa hoy kosa ny anankiray tamin’izy ireo: «Aoka mba hiaraka amin’ny mpanomponao koa ianao.» Ary namaly izy hoe: «Handeha aho»; ka dia lasa niaraka taminy izy.
Efa nataonao ho fifandiran’ireo mifanila toerana aminay izahay; ka efa ihomehezan’ny fahavalonay izahay.
Dia ho any amin’ny tany tondra-dronono aman-tantely, fa tsy hiakatra Aho eo afovoanao, satria vahoaka mafy hatoka ianao, ka sao dia haringako eny an-dalana eny.»
nanao hoe: «Raha nahita fitia teo imasonao aho, ry Tompo, aoka re mba hiaraka aminay ny Tompo, fa vahoaka mafy hatoka ity. Avelao ny heloka amam-pahotanay, ary raiso ho lovanao izahay.»
Tamin’ny fahorian’ireo rehetra, niory koa izy, ary ny Anjelin’ny tavany namonjy azy ireo. Noho ny fitiavany sy ny hamoram-pony dia ny Tenany no nanavotra azy ireo; nanohana sy nivimbina azy, nandritra ny andro rehetra fahiny.