Nampahalalainao ny sabatanao masina izy, ary nomenao didy, fitsipika aman-dalàna hotandremana izy, tamin’ny alalan’i Môizy mpanomponao.
Eksodosy 31:14 - Baiboly Katolika Hotandremanareo ny sabata, fa zava-masina ho anareo izany. Izay tsy mankamasina azy hoheloin-ko faty; izay manao asa amin’io andro io hofongorana tsy ho eo amin’ny fireneny. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Koa tandremo ny Sabata fa masina aminareo izany; izay tsy manamasina azy dia hovonoina ho faty ary izay rehetra manao raharaha amin’io andro io dia hofongorana tsy ho amin’ny fireneny. DIEM PROTESTANTA Koa manajà ny sabata, fa andro voatokana aminareo izany. Fa izay tsy manaja ny andro sabata fa manao raharaha amin’io andro io dia hoesorina tsy ho anisan’ny firenena israelita ary hovonoina ho faty mihitsy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Koa manajà ny sabata, fa andro voatokana aminareo izany. Fa izay tsy manaja ny andro sabata fa manao raharaha amin’io andro io dia hoesorina tsy ho anisan’ny firenena israelita ary hovonoina ho faty mihitsy. Baiboly Protestanta Malagasy Koa tandremo ny Sabata, fa masina aminareo izany; izay tsy manamasina azy dia hatao maty tokoa, fa izay rehetra manao raharaha amin’izany dia hofongorana tsy ho amin’ny fireneny. Malagasy Bible Koa tandremo ny Sabata, fa masina aminareo izany; izay tsy manamasina azy dia hatao maty tokoa, fa izay rehetra manao raharaha amin'izany dia hofongorana tsy ho amin'ny fireneny. La Bible en Malgache Koa tandremo ny Sabata fa masina aminareo izany; izay tsy manamasina azy dia hovonoina ho faty ary izay rehetra manao raharaha amin’io andro io dia hofongorana tsy ho amin’ny fireneny. |
Nampahalalainao ny sabatanao masina izy, ary nomenao didy, fitsipika aman-dalàna hotandremana izy, tamin’ny alalan’i Môizy mpanomponao.
Na zovy na zovy hanamboatra tahaka an’io na hanosotra izany amin’ny olona tsy fanosotra azy, dia hofongorana tsy ho eo amin’ny fireneny.»
Ka na zovy na zovy hanao mitovy amin’izany hanamboloany ny havany, dia hofongorana tsy ho eo amin’ny fireneny.»
Ny andro enina no hiasana fa ny andro fahafito ho andro fitsaharana amin’ny asa rehetra, dia voatokana ho an’i Iaveh. Koa na zovy na zovy no hanao asa amin’ny andro sabata dia hoheloin-ko faty.
noho izy ireo nanary ny didiko, tsy nanaraka ny lalàko, sy nametaveta ny sabatako; fa nanaraka ny sampin-dozany ny fon’izy ireo.
Niodina tamiko koa anefa ireo zanany, fa ny didiko tsy narahiny, tsy notandremany tamin’ny fanatanterahana azy. Ny fitsipiko izay mahavelona ny olona manaraka azy, ary ny sabatako novetavetainy. Nihevitra ny handatsaka ny hatezerako tamin’izy ireo Aho, sy hanarana ny hatezerako taminy, tany an’efitra.
noho izy ireo tsy nanaraka ny fitsipiko, nanary ny lalàko, nanevateva ny sabatako, nanara-maso ny sampin-dozan’ny razany.
izy ireo no hipetraka hitsara, raha misy fifandirana; ka araka ny rariny navoakako no hitsarana. Hitandrina ny lalàna amam-pandaharako amin’ny fetiko rehetra sy hankamasina ny sabatako.
«Izao no lalàna tsy tapaka ho anareo: amin’ny volana fahafito, andro fahavalon’ny volana, hampijaly tena ianareo, sady tsy hanao taozavatra akory, na ny tompon-tany na ny vahiny mitoetra eo aminareo.
Ka raha foràna ny olona na dia amin’ny sabata aza, mba tsy hofoanana ny Lalàn’i Môizy, nahoana no dia tezitra amiko ianareo, raha lehilahy anankiray no mba nositraniko tamin’ny sabata ny tenany manontolo?