Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Eksodosy 30:38 - Baiboly Katolika

Ka na zovy na zovy hanao mitovy amin’izany hanamboloany ny havany, dia hofongorana tsy ho eo amin’ny fireneny.»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Izay rehetra manamboatra mitovy amin’izany ka mampiasa azy ho fofona manitra dia hofongorana tsy ho amin’ny fireneny.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Fa raha misy manamboatra zava-manitra mitovy aminy hamofonany azy, dia hoesorina tsy ho anisan’ny firenena israelita izy.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Fa raha misy manamboatra zava-manitra mitovy aminy hamofonany azy, dia hoesorina tsy ho anisan’ny firenena israelita izy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Na zovy na zovy manao izay tahaka azy ho fanorohana dia hofongorana tsy ho amin’ny fireneny.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Na zovy na zovy manao izay tahaka azy ho fanorohana dia hofongorana tsy ho amin'ny fireneny.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Izay rehetra manamboatra mitovy amin’izany ka mampiasa azy ho fofona manitra dia hofongorana tsy ho amin’ny fireneny.

Jereo ny toko



Eksodosy 30:38
9 Rohy Ifampitohizana  

Raha lehilahy tsy noforàna tamin’ny nofony, dia hoesorina amin’ny fireneny, fa nivadika ny fanekeko.»


«Hafitoana ianareo hihinana mofo tsy misy lalivay; ka vao amin’ny andro voalohany, dia foany lalivay ny tranonareo; fa na zovy na zovy hihinana mofo misy lalivay, hatramin’ny andro voalohany ka hatramin’ny andro fahafito, dia hofongorana tsy ho eo amin’i Israely.


Na zovy na zovy hanamboatra tahaka an’io na hanosotra izany amin’ny olona tsy fanosotra azy, dia hofongorana tsy ho eo amin’ny fireneny.»


Ary i Iaveh niteny tamin’i Môizy nanao hoe:


Hotandremanareo ny sabata, fa zava-masina ho anareo izany. Izay tsy mankamasina azy hoheloin-ko faty; izay manao asa amin’io andro io hofongorana tsy ho eo amin’ny fireneny.


nefa tsy nitondra azy teo anoloan’ny varavaran’ny trano lay fihaonana, hanaterana azy ho fanatitra ho an’i Iaveh, eo anoloan’ny fonenan’i Iaveh, dia hahameloka azy izany, fa nandatsa-dra izy, ka hofongorana amin’ny fireneny izany olona izany;


Fa izay ao anatin’ny fahalotoana kosa, raha mihinana amin’ny hena avy amin’ny sorom-pihavanana, izay an’i Iaveh, dia hofongorana tsy ho eo amin’ny fireneny.


Tandremo sao voafongotra ny fokon’ny fianakavian’ny Kaatita eo afovoan’ny Levita.


Raha olona madio sady tsy misy dia nalehany, no tsy mankalaza ny Paka, dia hoesorina amin’ny fireneny izy; noho izy tsy nanolotra ny fanatitra ho an’i Iaveh amin’ny fotoana voatendry dia hilonjy ny fahotany izy.