Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Eksodosy 30:31 - Baiboly Katolika

Mitenena amin’ny zanak’i Israely ka lazao hoe: Ho diloilo fanaovana fanosorana masina izany ho Ahy, hatrany amin’ny taranaka mifandimby.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Avy eo dia mitenena amin’ny Zanak’Israely hoe: Ity dia ho diloilo fanosorana masina ho Ahy hatramin’ny taranakareo fara aman-dimby.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

«Aorian’izany dia hambaranao amin’ny Israelita hoe: Ity no ilomasina fampiasa amin’ny fanokanana. Fanompoana ny Tompo irery ihany no hampiasana azy eo amin’ny taranaka mifandimby.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

«Aorian’izany dia hambaranao amin’ny Israelita hoe: Ity no ilomasina fampiasa amin’ny fanokanana. Fanompoana ny Tompo irery ihany no hampiasana azy eo amin’ny taranaka mifandimby.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary mitenena amin’ny Zanak’Isiraely hoe: Ity ho diloilo fanosorana masina ho Ahy hatramin’ny taranakareo fara mandimby.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary mitenena amin'ny Zanak'Isiraely hoe: Ity ho diloilo fanosorana masina ho Ahy hatramin'ny taranakareo fara mandimby.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Avy eo dia mitenena amin’ny Zanak’Israely hoe: Ity dia ho diloilo fanosorana masina ho Ahy hatramin’ny taranakareo fara aman-dimby.

Jereo ny toko



Eksodosy 30:31
7 Rohy Ifampitohizana  

Fahiny Ianao niteny tamin’ny malalanao, tamin’ny fahitana nanao hoe: «Izaho namonjy fanampiana ny mahery anankiray; nanandratra zatovolahy anankiray avy eo afovoan’ny vahoaka;


Makà amin’ny ra izay eo ambonin’ny ôtely, sy ny diloilo fanosorana, ka fafazo amin’i Aarôna mbamin’ny fanamiany, sy amin’ny zanany mbamin’ny fanamiany dia ho voahasina avokoa izy, na ny tenany amam-panamiany na ny zanany amam-panamiany miaraka aminy.»


Hohosoranao koa i Aarôna sy ny zanany, ary hohamasininao izy, mba ho mpisorona hanao fanompoana Ahy.


Tsy hararaka amin’ny tenan’ny olona izany, ary hamorona hafa tahaka an’io ianareo amin’izay zavatra hamoronana an’io, fa zava-masina izany, ka tsy maintsy hataonareo ho zava-masina.


Dia nanao ny diloilo fanosorana masina izy, sy ny zava-manitra fanembohana, vita araka ny fahaizana momba ny fanaovan-java-manitra.


«Ny mpisorona lehibe izay ambonin’ireo rahalahiny, izay nampidinana ny diloilo fanosorana ny lohany, sy voatokana hitafy ny fanamiana masina, tsy hanala satroka ny lohany, na handriatra ny fitafiany.


Dia norotsahany diloilo fanosorana ny lohan’i Aarôna, ka nohosorana izy, mba hahamasina azy.