Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Eksodosy 29:30 - Baiboly Katolika

ka hitafy izany mandritra ny hafitoana, izay anankiray amin’ny zanany ho tonga mpisorona handimby azy; dia izay hiditra ao an-trano lay fihaonana, hanao ny fanompoam-pivavahana ao amin’ny fitoerana masina.»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Hiakanjo azy hafitoana izay iray amin’ny zanany ho mpisorona handimby azy, dia izay miditra ao amin’ny tranolay fihaonana hanao fanompoam-pivavahana ao amin’ny fitoerana masina.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Ny mpisorona hisolo an’i Aharôna dia hitondra ireo akanjo ireo mandritra ny fito andro, rehefa miditra ao amin’ny Tranolay fihaonana mba hanatanteraka ny raharahany ao amin’ny Toeramasina.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Ny mpisorona hisolo an’i Aharôna dia hitondra ireo akanjo ireo mandritra ny fito andro, rehefa miditra ao amin’ny Tranolay fihaonana mba hanatanteraka ny raharahany ao amin’ny Toeramasina.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Hiakanjo azy hafitoana izay anankiray amin’ny zanany ho mpisorona handimby azy, dia izay miditra amin’ny trano-lay fihaonana hanao fanompoam-pivavahana ao amin’ny fitoerana masina.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Hiakanjo azy hafitoana izay anankiray amin'ny zanany ho mpisarona handimby azy, dia izay miditra amin'ny trano-lay fihaonana hanao fanompoam-pivavahana ao amin'ny fitoerana masina.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Hiakanjo azy hafitoana izay iray amin’ny zanany ho mpisorona handimby azy, dia izay miditra ao amin’ny tranolay fihaonana hanao fanompoam-pivavahana ao amin’ny fitoerana masina.

Jereo ny toko



Eksodosy 29:30
17 Rohy Ifampitohizana  

Mbola niandry hafitoana indray izy, vao nandefa fanindroany ny voromahailala ho any ivelan’ny sambo fiara.


Mbola niandry hafitoana indray izy dia nandefa ny voromahailala ary tsy niverina nankeo aminy intsony izy.


«Hafitoana ianareo hihinana mofo tsy misy lalivay; ka vao amin’ny andro voalohany, dia foany lalivay ny tranonareo; fa na zovy na zovy hihinana mofo misy lalivay, hatramin’ny andro voalohany ka hatramin’ny andro fahafito, dia hofongorana tsy ho eo amin’i Israely.


«Ny fanamiana masin’i Aarôna dia ho an’ny zanany handimby azy koa, ka hatafy azy izany, rehefa avy izay hanosorana azy sy hanokanana azy;


«Halainao ny ondralahy fanokanana, ka handrahoinao eo amin’izay toerana masina ny henany.


«Izany no hataonao amin’i Aarôna sy ny zanany, araka ny didy rehetra nomeko anao. Hafitoana no hanokananao azy.»


Hafitoana no hanaovam-panavotana ho an’ny ôtely dia hanadiovana azy sy hanamasinana azy.


Amin’ny andro fahafito hozahan’ny mpisorona indray izy; ka raha tsy nitombo ny aretina araka ny fijeriny azy, tsy nanitatra eo amin’ny hoditra, dia hatokan’ny mpisorona toerana hafitoana fanindroany izy.


«Ny hanao ny fanonerana dia izay mpisorona efa nandray ny fanosorana sy efa voatokana hanao ny raharahan’ny fisoronana mandimby an-drainy. Hitafy fanamiana rongony madinika, fanamiana masina izy.


Nony mby amin’ny andro fahavalo, nampanalain’i Môizy i Aarôna sy ny zanany ary ny loholon’i Israely,


Dia nanatona ny ôtely i Aarôna, namono ny zanak’omby hatao sorona noho ny ota, hatolotra ho an’ny tenany.


ka nony efa nalan’i Môizy ny fanamian’i Aarôna, dia natafiny an’i Eleazara zanany.


Eny tokoa, dia mpisorom-be toy izao no sahaza antsika: masina, tsy manan-tsiny, tsy misy pentina, voaavaka amin’ny mpanota, voasandratra avo noho ny lanitra;