Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Eksodosy 29:26 - Baiboly Katolika

Ary halainao ny tratran’ny ondralahy izay nenti-nanokanana an’i Aarôna, ka hahevahevanao ho fanatitra ahevaheva eo anatrehan’i Iaveh: io no ho anjaranao.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Alao indray ny tratran’ny ondrilahy fanokanana an’i Arona ka ataovy fanatitra asandratra eo anatrehan’NY TOMPO; dia izay no ho anjaranao.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Ary halainao ny tratran’ny ondrilahy faharoa izay nanokanana an’i Aharôna ka hahevahevanao eo anatrehako Izaho TOMPO toy ny fanatitra ahevaheva fa iny no anjara ho anao.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Ary halainao ny tratran’ny ondrilahy faharoa izay nanokanana an’i Aharôna ka hahevahevanao eo anatrehako Izaho TOMPO toy ny fanatitra ahevaheva fa iny no anjara ho anao.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary alao ny tratran’ny ondrilahy fanokanana an’i Arona, ka ahevahevao ho fanatitra ahevaheva eo anatrehan’i Jehovah; dia ho anjaranao izany.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary alao ny tratran'ny ondrilahy fanokanana an'i Arona, ka ahevahevao ho fanatitra ahevaheva eo anatrehan'i Jehovah; dia ho anjaranao izany.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Alao indray ny tratran’ny ondrilahy fanokanana an’i Arona ka ataovy fanatitra asandratra eo anatrehan’NY TOMPO; dia izay no ho anjaranao.

Jereo ny toko



Eksodosy 29:26
8 Rohy Ifampitohizana  

I Môizy sy i Aarôna dia anisan’ireo mpisorony, ary i Samoela isan’ireo miantso ny Anarany, dia niantso an’i Iaveh, ka novaliany.


Amin’ny ondralahy fanokanana, amin’izay anjaran’i Aarôna sy amin’izay anjaran’ny zanany, dia hohamasininao izay efa voahevaheva sy izay efa voasandratra, dia izao avy: ny tratra voahevaheva sy ny soroka voasandratra;


Halain’ny mpisorona ny iray amin’ireo zanak’ondry, ka hatolony ho sorona fanonerana, mbamin’ny diloilo iray loga koa, ka hahevahevany ho fanatitra ahevaheva eo anatrehan’i Iaveh.


Hitondra ao an-tanany izay tsy maintsy haterina atao amin’ny afo, ho an’i Iaveh, izy, dia hitondra ny sabora mbamin’ny tratrany, ka ny tratrany hahevaheva eo anatrehan’i Iaveh;


ny sabora hodoran’ny mpisorona hanetona eo ambonin’ny ôtely; ary ny tratrany dia ho an’i Aarôna mbamin’ny zanany.


Fa efa natokako avy amin’ny sorom-pihavanan’ny zanak’i Israely, ny tratrany ahevaheva, sy ny sorona avahana, ka atolotra ho an’i Aarôna sy ny zanany ho anjara asain-kaloan’ny zanak’i Israely ho azy hatrany hatrany.


Dia nalain’i Môizy ny tratran’ny ondralahy fanokanana, ka nahevahevany ho fanatitra eo anatrehan’i Iaveh; io no anjaran’i Môizy araka ny nandidian’i Iaveh an’i Môizy.


Raha efa izany dia nahevahevan’i Aarôna teo anatrehan’i Iaveh ny tratran’ireo amam-peny havanana, ho fanatitra ahevaheva, araka ny nandidian’i Môizy.