Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Eksodosy 28:29 - Baiboly Katolika

Amin’izay i Aarôna, rehefa miditra ny Fitoerana Masina dia hitondra ny anaran’ny zanak’i Israely, manolotra ny fony, amin’ny saron-tratra fitsarana, ho fahatsiarovana mandrakizay, eo anatrehan’i Iaveh.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ary i Arona dia hitondra ny anaran’ny Zanak’Israely eo amin’ny saron-tratra fitsarana mifanolotra amin’ny fony rehefa miditra ao amin’ny fitoerana masina izy mba ho fahatsiarovana mandrakariva eo anatrehan’NY TOMPO.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

«Amin’izay, rehefa miditra ao amin’ny Toeramasina i Aharôna, dia hitondra eny an-tratrany ny saron-tratra fitsarana misy ny anaran’ny fokon’i Israely; ka Izaho TOMPO amin’izay dia tsy hanadino anareo na oviana na oviana.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

«Amin’izay, rehefa miditra ao amin’ny Toeramasina i Aharôna, dia hitondra eny an-tratrany ny saron-tratra fitsarana misy ny anaran’ny fokon’i Israely; ka Izaho TOMPO amin’izay dia tsy hanadino anareo na oviana na oviana.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary Arona hitondra ny anaran’ny Zanak’Isiraely eo amin’ny saron-tratra fitsarana manolotra ny fony, raha miditra amin’ny fitoerana masina izy, mba ho fahatsiarovana mandrakariva eo anatrehan’i Jehovah.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary Arona hitondra ny anaran'ny Zanak'Isiraely eo amin'ny saron-tratra fitsarana manolotra ny fony, raha miditra amin'ny fitoerana masina izy, mba ho fahatsiarovana mandrakariva eo anatrehan'i Jehovah.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ary i Arona dia hitondra ny anaran’ny Zanak’Israely eo amin’ny saron-tratra fitsarana mifanolotra amin’ny fony rehefa miditra ao amin’ny fitoerana masina izy mba ho fahatsiarovana mandrakariva eo anatrehan’NY TOMPO.

Jereo ny toko



Eksodosy 28:29
8 Rohy Ifampitohizana  

Ataovy eo amin’ny soroky ny efôda ireo vato roa ireo, ho vato fahatsiarovana ny zanak’i Israely, fa hoentin’i Aarôna amin’ny sorony roa eo anatrehan’i Iaveh ny anaran’izy ireo ho fahatsiarovana.


«Dia manaova saron-tratra fitsarana, asa-mpanenona mahay; hatao mitovy tenona amin’ny efôda, hatao amin’ny volamena, jaky volomparasy, jaky mangatrakatraka, lamba mena antitra, ary rongony madinika mihasina.


Hampifamehezina amin’ny ribà jaky volomparasy ny masom-bolamenan’ny saron-tratra sy ny an’ny efôda, hitana ny saron-tratra eo ambonin’ny fehikibo amin’ny efôda, fa tsy hosarahina amin’ny efôda ny saron-tratra.


Ataovy mikambana amin’ny saron-tratra fitsarana koa ny Orima sy ny Tomima, ka hanolotra ny fon’i Aarôna, rehefa miseho eo anatrehan’i Iaveh izy, ka amin’izany dia hoentin’i Aarôna mandrakariva manolotra ny fony eo anatrehan’i Iaveh ny fitsarana ny zanak’i Israely.»


Ataovy vita tombokase eo ambonin’ny fonao aho, sy vita tombon-kase eo an-tsandrinao; fa mahery toy ny fahafatesana ny fitiavana, tsy azo ifonana toy ny Seoly ny fahasaro-piaro, mirehitra toy ny afo ny firehetany, dia lelafon’i Iaveh.


Ny iray amin’izy ireo ihany no ho filohany; ary ny avy ao anatiny no ho mpanapaka azy; hasaiko manatona izy, dia hanatona Ahy; fa zovy moa no olona hahay mamboatra ny fony, ka mba hanatona Ahy? - teny marin’i Iaveh. -


Ry hava-malala, ny irin’ny foko sy angatahiko amin’Andriamanitra ho azy ireo, dia ny hahazoany famonjena.