vatosoa berila sy vatosoa fandatsaka an-tranontranony, hatao amin’ny efôda sy ny saron-tratra.
Eksodosy 28:28 - Baiboly Katolika Hampifamehezina amin’ny ribà jaky volomparasy ny masom-bolamenan’ny saron-tratra sy ny an’ny efôda, hitana ny saron-tratra eo ambonin’ny fehikibo amin’ny efôda, fa tsy hosarahina amin’ny efôda ny saron-tratra. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Kofehy manga no hamehezana ny mason-drojon’ny saron-tratra amin’ny mason-drojon’ny efoda, mba ho eo ambonin’ny fehikibo momba ny efoda ny saron-tratra ka tsy hikisaka hiala eo. DIEM PROTESTANTA Hatohy tady volomparasy ny haban’ny saron-tratra sy ny haban’ny efôda mba ho eo ambonin’ny beritelon’ny efôda ilay saron-tratra ka tsy hifindrafindra eo amin’ny efôda. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Hatohy tady volomparasy ny haban’ny saron-tratra sy ny haban’ny efôda mba ho eo ambonin’ny beritelon’ny efôda ilay saron-tratra ka tsy hifindrafindra eo amin’ny efôda. Baiboly Protestanta Malagasy Ary kofehy manga no hamehezana ny vava volan’ny saron-tratra amin’ny vava volan’ny efoda, mba ho eo ambonin’ny fehin-kibo momba ny efoda ny saron-tratra, ka tsy ho afaka eo. Malagasy Bible Ary kofehy manga no hamehezana ny vava volan'ny saron-tratra amin'ny vava volan'ny efoda, mba ho eo ambonin'ny fehin-kibo momba ny efoda ny saron-tratra, ka tsy ho afaka eo. La Bible en Malgache Kofehy manga no hamehezana ny mason-drojon’ny saron-tratra amin’ny mason-drojon’ny efoda, mba ho eo ambonin’ny fehikibo momba ny efoda ny saron-tratra ka tsy hikisaka hiala eo. |
vatosoa berila sy vatosoa fandatsaka an-tranontranony, hatao amin’ny efôda sy ny saron-tratra.
Dia manaova koa masom-bolamena roa hatao eo ambanin’ny sorony roa amin’ny efôda, eo anoloana, akaikin’ny famatorana azy sy ambonin’ny fehikibo amin’ny efôda.
Amin’izay i Aarôna, rehefa miditra ny Fitoerana Masina dia hitondra ny anaran’ny zanak’i Israely, manolotra ny fony, amin’ny saron-tratra fitsarana, ho fahatsiarovana mandrakizay, eo anatrehan’i Iaveh.
Dia afehezo amin’ny ribà jaky volomparasy amin’ny hamama dia hatao eo anoloan’ny hamama io.
Hitovy tenona aminy koa ny fehin-kibo hamehezana azy eo amboniny sy hiray aminy, fa hatao amin’ny volamena, jaky volomparasy, jaky mangatrakatraka, lamba mena antitra, ary rongony madinika voahasina.
ny fanamiana hoenti-manao ny fanompoana ao amin’ny fitoerana masina, ny fanamiana masina ho an’i Aarôna mpisorona, sy ny fanamian’ireo zanany, fitondrany amin’ny raharaham-pisoronana.
«Mitenena amin’ny zanak’i Israely ary ilazao izy mba hanisy sahondra amin’ny zoron-dambany hatramin’ny taranaka mifandimby; ary hanisy kofehy jaky volomparasy amin’ny sahondra isan-jorony avy.