Hasianao andriny roapolo misy faladia varahina roapolo io lafiny iray io, ka hatao volafotsy avokoa ny faraingo amin’ny andriny sy ny anjaka hitohizany.
Eksodosy 27:11 - Baiboly Katolika Toy izany koa ny lafiny avaratra, hisy fefy lamba zato hakiho ny halavany, amin’ny andriny roapolo misy faladia varahina roapolo, volafotsy avokoa ny faraingo amin’ny andriny sy ny anjaka hitohizany. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ho tahaka izany koa eo amin’ny lafiny avaratra, amin’ny lavany dia hisy fefy lamba, zato hakiho ny halavany, ho roapolo ny andriny, ho roapolo ny faladiany varahina; ho volafotsy ny fihantonana amin’ireo andriny sy ny farango hitohizany. DIEM PROTESTANTA Ho tahaka izany koa ny lafiny avaratra, ka hivelatra dimampolo metatra ny halavan’ny temitra, ary mitovy amin’ny teo ihany ny fanantonana azy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ho tahaka izany koa ny lafiny avaratra, ka hivelatra dimampolo metatra ny halavan’ny temitra, ary mitovy amin’ny teo ihany ny fanantonana azy. Baiboly Protestanta Malagasy Ary ho tahaka izany amin’ny lafiny avaratra, amin’ny lavany dia hisy fefy lamba, zato hakiho ny halavany, ary ho roa-polo ny tsangantsangany, ary ho roa-polo ny faladiany varahina; ho volafotsy ny fihantonana amin’ny tsangantsangany sy ny anjaka hitohizany. Malagasy Bible Ary ho tahaka izany amin'ny lafiny avaratra, amin'ny lavany dia hisy fefy lamba, zato hakiho ny halavany, ary ho roa-polo ny tsangantsangany, ary ho roa-polo ny faladiany varahina; ho volafotsy ny fihantonana amin'ny tsangantsangany sy ny anjaka hitohizany, La Bible en Malgache Ho tahaka izany koa eo amin’ny lafiny avaratra, amin’ny lavany dia hisy fefy lamba, zato hakiho ny halavany, ho roapolo ny andriny, ho roapolo ny faladiany varahina; ho volafotsy ny fihantonana amin’ireo andriny sy ny farango hitohizany. |
Hasianao andriny roapolo misy faladia varahina roapolo io lafiny iray io, ka hatao volafotsy avokoa ny faraingo amin’ny andriny sy ny anjaka hitohizany.
Ny amin’ny lafiny andrefana dia hatao dimampolo hakiho ny halavan’ny fefy lamba amin’ny sakan’ny kianja, ary folo ny andry, folo ny faladiany.