Eksodosy 25:39 - Baiboly Katolika Volamena madio talenta iray no hanaovana ny fanaovan-jiro sy ny fanaka rehetra momba azy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Volamena tsy miharo, talenta iray, no hanaovana azy mbamin’ireny fanaka rehetra ireny. DIEM PROTESTANTA Vongam-bolamena madio telopolo kilao no hampiasaina hanaovana ny fitoeran-jiro sy ny fitaovana rehetra miaraka aminy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Vongam-bolamena madio telopolo kilao no hampiasaina hanaovana ny fitoeran-jiro sy ny fitaovana rehetra miaraka aminy. Baiboly Protestanta Malagasy Volamena tsara talenta iray no hanaovana azy mbamin’ireny fanaka rehetra ireny. Malagasy Bible Volamena tsara talenta iray no hanaovana azy mbamin'ireny fanaka rehetra ireny. La Bible en Malgache Volamena tsy miharo, talenta* iray, no hanaovana azy mbamin’ireny fanaka rehetra ireny. |