Dia nomen’i Davida an’i Salômôna zanany ny mariky ny alo-baravarana, ny trano, ny efitry ny rakitra, ny efitra ambony, ny efitra anatiny miray amin’io, ny efitry ny fanoneram-pahotana,
Eksodosy 25:17 - Baiboly Katolika Hanao fanaovam-panavotana amin’ny volamena madio ianao, roa hakiho sy sasany ny lavany, iray hakiho sy sasany ny sakany. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Avy eo dia manaova rakotra fanaovam-panavotana amin’ny volamena tsy miharo: Roa hakiho sy sasany ny lavany ary iray hakiho sy sasany ny sakany. DIEM PROTESTANTA «Hanaovana sarony volamena madio ilay Vatamasina, ka io sarony io dia hirefy 125 santimetatra ny lavany ary 75 santimetatra ny sakany. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara «Hanaovana sarony volamena madio ilay Vatamasina, ka io sarony io dia hirefy 125 santimetatra ny lavany ary 75 santimetatra ny sakany. Baiboly Protestanta Malagasy Ary manaova rakotra fanaovam-panavotana amin’ny volamena tsara: roa hakiho sy sasany ny lavany, ary iray hakiho sy sasany ny sakany. Malagasy Bible Ary manaova rakotra fanaovam-panavotana amin'ny volamena tsara: roa hakiho sy sasany ny lavany, ary iray hakiho sy sasany ny sakany. La Bible en Malgache Avy eo dia manaova rakotra fanaovam-panavotana amin’ny volamena tsy miharo: Roa hakiho sy sasany ny lavany ary iray hakiho sy sasany ny sakany. |
Dia nomen’i Davida an’i Salômôna zanany ny mariky ny alo-baravarana, ny trano, ny efitry ny rakitra, ny efitra ambony, ny efitra anatiny miray amin’io, ny efitry ny fanoneram-pahotana,
Ary hanao kerobima volamena roa ianao hataonao an-tefiny, dia iray avy no ho eo an-daniny roa amin’ny fanaovam-panavotana;
Hataonao eo ambonin’ny fiaran’ny vavolombelona ny fanaovam-panavotana, amin’ny Fitoerana masina indrindra.
Nanao fanaovam-panavotana tamin’ny volamena madio izy; roa hakiho sy sasany ny lavany, iray hakiho sy sasany ny sakany.
Nalainy ny Vavolombelona, dia napetrany tao anaty fiara; nataony tamin’ny fiara ny bao, ary napetrany teo ambonin’ny fiara ny fanaovam-panavotana.
Ianao no Kerobima voahosotra hiaro, napetrako tao amin’ny tendrombohitra masin’Andriamanitra; tao ianao nandeha teo afovoan’ny vato mirehitra.
Fa Izy no natsangan’Andriamanitra ampahibemaso ho sorom-pifonana amin’ny Rany noho ny finoana, mba hampiharihary ny fahamarinany noho Izy tsy dia namaly loatra ny fahotana fahiny tamin’ny andron’ny fandeferany:
Koa aoka isika hanatona ny fiketrahan’ny fahasoavana amim-pahatokiana, mba hahazoantsika famindram-po, sy hahitantsika fahasoavana ary hamonjena antsika amin’ny andro ilàntsika izany.
Nisy Kerobim-boninahitra teo amboniny, izay nandrakotra ny fanaovam-panavotana tamin’ny alony. Fa tsy azo visavisaina eto avokoa ny andinidinik’izany
Izy no sorom-pifonana mahafaka ny fahotantsika; ary tsy ny antsika ihany, fa ny an’izao tontolo izao koa.