Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Eksodosy 22:6 - Baiboly Katolika

«Raha misy afo mirehitra ka mahazo ny tsilo aloha, izay vao mandevona amboaram-bary koa, na vary mbola tsy voajinja, na saha, dia hanonitra izay nandrehitra ny afo.»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Raha misy olona mampitahiry vola na fanaka ny namany ka angalarin’ny sasany ao amin’ny tranon’ilay olona ilay izy, raha hita ilay mpangalatra dia hanonitra avo roa heny izy.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

«Mety hisy olona manome vola na fanaka hotehirizin’ny namany ka nisy nangalatra tao an-tranony. Koa raha hita ilay nangalatra, dia hanonitra avo roa heny;

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

«Mety hisy olona manome vola na fanaka hotehirizin’ny namany ka nisy nangalatra tao an-tranony. Koa raha hita ilay nangalatra, dia hanonitra avo roa heny;

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Raha misy olona mampitahiry vola na fanaka ny namany, ka angalarin’ny sasany ao amin’ny tranon’ilay olona izany, raha hita ny mpangalatra, dia hanonitra roa heny izy.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Raha misy olona mampitahiry vola na fanaka ny namany, ka angalarin'ny sasany ao amin'ny tranon'ilay olona izany, raha hita ny mpangalatra, dia hanonitra roa heny izy.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Raha misy olona mampitahiry vola na fanaka ny namany ka angalarin’ny sasany ao amin’ny tranon’ilay olona ilay izy, raha hita ilay mpangalatra dia hanonitra avo roa heny izy.

Jereo ny toko



Eksodosy 22:6
8 Rohy Ifampitohizana  

Raha tao aminy anefa no nangalarana ny biby, dia tsy maintsy manonitra amin’ny tompom-biby izy.


«Raha misy olona manimba voly na tanimboaloboka, fa nampitondraka ny bibiny tamin’ny sahan’olona dia honerany izany amin’izay tsara indrindra amin’ny voliny sy amin’izay tsara indrindra amin’ny tanimboalobony.»


«Raha misy nametra-bola na fanaka hotahirizin’ny namany, ka nangalarin’ny sasany tao an-tranon’ity namany izany: raha hita ny nangalatra dia hanonitra avo sasaka,


Na inona na inona zavatra hifandirana, na omby na ampondra na fitafiana, na zavatra inona na zavatra inona very, ka lazain’ny olona hoe: Izy indrindra ity, dia hoentina eo anatrehan’Andriamanitra ny tenin’izy roa tonta, ka izay hoheloin’Andriamanitra dia hanonitra avo sasaka ho an’ny namany.»


ny voany no hahafantaranareo azy. Moa mioty voaloboka amin’ny tsilo va ny olona, na voan’aviavy amin’ny hery?