Nohenoin’i Abrahama i Efrôna ka nolanjain’i Abrahama ny vola voalazany teo anatrehan’ny zanak’i Heta, dia volafotsy efajato sikla, araka ny fandraisan’ny mpivarotra azy.
Eksodosy 22:17 - Baiboly Katolika Ary raha lavin-drainy ny hanambadiany azy, dia ny vola fanome amin’ny zazavavy virjiny no haloany». Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Aza avela ho velona ny vehivavy mamosavy. DIEM PROTESTANTA «Aza avela ho velona ny vehivavy mpanao ody ratsy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara «Aza avela ho velona ny vehivavy mpanao ody ratsy. Baiboly Protestanta Malagasy Aza velomina ny vehivavy manana ody. Malagasy Bible Aza velomina ny vehivavy manana ody. La Bible en Malgache Aza avela ho velona ny vehivavy mamosavy. |
Nohenoin’i Abrahama i Efrôna ka nolanjain’i Abrahama ny vola voalazany teo anatrehan’ny zanak’i Heta, dia volafotsy efajato sikla, araka ny fandraisan’ny mpivarotra azy.
ka nanao hoe: «Nomen’Andriamanitra anjara soa aho; amin’izao, dia hitoetra amiko ny vadiko, fa niteraka enina mirahalahy ho azy aho.» Dia nataony hoe Zabolôna ny anarany.
na harem-be asainareo haloako, na fanomezana be vava, izay tononinareo homeko avokoa, fa omeo ho vadiko ny zazavavy.»
Raha misy olona manatona izay mpamoha angatra na mpisikidy, ka mivadika amiko hanaraka ireny, dia hanandrina izany olona izany ny Tavako, ka hofongorako amin’ny fireneny izy.
Aoka eo aminao tsy hisy olona mampandeha ny zanany lahy na ny zanany vavy hamaky ny afo, manao sikidy, mikaroka ny vintana, mitandrina fadifady, manao fankatoavana, mampiasa ody,
dia hanome volafotsy dimampolo sikla an-drain-drazazavavy ity lehilahy nandry taminy, ary ho vadiny razazavavy, satria efa nanala baraka azy izy, ka tsy azony isaorana raha mbola velona koa izy.»
Dia hoy i Saola: «Izao no holazainareo amin’i Davida: ‹Tsy mila zavatra akory ho vodiondry ny mpanjaka, fa hodi-tsy miforan’ny Filistinina zato lahy, mba ho voavaly faty ny fahavalon’ny mpanjaka.› » Ny hisamboran’ny tanan’i Filistinina an’i Davida no nampoizin’i Saola tamin’izany.
Efa maty i Samoela ka nitomanian’i Israely rehetra ary naleviny tany Ramà tao amin’ny tanànany. Ary efa noroahin’i Saola hiala amin’ny tany ny olona mpamoha angatra sy mpanao sikidy.