Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Eksodosy 21:17 - Baiboly Katolika

Izay hanozona ny rainy na ny reniny dia hohelohin-ko faty».

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Izay manozona ny rainy na ny reniny dia hovonoina ho faty.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

«Izay manozona ny rainy na ny reniny dia tsy maintsy vonoina ho faty.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

«Izay manozona ny rainy na ny reniny dia tsy maintsy vonoina ho faty.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary izay manozona ny rainy na ny reniny dia hatao maty tokoa.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary izay manozona ny rainy na ny reniny dia hatao maty tokoa.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Izay manozona ny rainy na ny reniny dia hovonoina ho faty.

Jereo ny toko



Eksodosy 21:17
11 Rohy Ifampitohizana  

«Manajà ny ray aman-dreninao mba ho lava andro ianao any amin’ny tany omen’i Iaveh Andriamanitrao anao.»


«Raha misy olona mifanditra ary asian’ny iray vato na totohondry ny namany, nefa tsy nahafaty azy, fa nampihonaka am-pandriana azy izany, dia ho afaka ilay namono,


Raha misy manozona ny ray aman-dreniny, dia ho faty jiro anatin’ny haizim-pito.


Misy taranaka manozona ny rainy, sady tsy misaotra ny reniny.


Ny maso maniratsira ny ray, sy maneso ny fanoavan-dreny, dia hogorobahin’ny goaika eny an-dohasahan-driaka, sy hohanin’ny zana-boromahery.


«Raha misy olona manan-janaka lahy maditra sy manohitra, tsy henoiny akory izay feon-drainy na feon-dreniny, ary na faizin’ireo aza izy dia tsy henoiny,


Dia hitora-bato azy ny olona rehetra eo an-tanànany ka ho faty izy. Ary izany no hamongorana ny ratsy eo afovoanao, ary handre izany i Israely rehetra ka hatahotra.»


Aoka ho voaozona izay manao tsinontsinona ny ray aman-dreniny. Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amen.