Fa raha misy kosa lehilahy nanao an-kasomparana amin’ny namany hamonoany azy an-kafetsena, na mby eo amin’ny ôtely aza, tsoahy eo ka vonoy ho faty.
Eksodosy 21:15 - Baiboly Katolika Izay mikapoka ny rainy na ny reniny tsy maintsy hatao maty. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Izay mikapoka ny rainy na ny reniny dia hovonoina ho faty. DIEM PROTESTANTA «Izay mikapoka ny rainy na ny reniny dia tsy maintsy vonoina ho faty. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara «Izay mikapoka ny rainy na ny reniny dia tsy maintsy vonoina ho faty. Baiboly Protestanta Malagasy Ary izay mamely ny rainy na ny reniny dia hatao maty tokoa. Malagasy Bible Ary izay mamely ny rainy na ny reniny dia hatao maty tokoa. La Bible en Malgache Izay mikapoka ny rainy na ny reniny dia hovonoina ho faty. |
Fa raha misy kosa lehilahy nanao an-kasomparana amin’ny namany hamonoany azy an-kafetsena, na mby eo amin’ny ôtely aza, tsoahy eo ka vonoy ho faty.
Izay mangalatra olona, na namidiny izy io, na tratra eo an-tanany, dia tsy maintsy atao maty.
Ny maso maniratsira ny ray, sy maneso ny fanoavan-dreny, dia hogorobahin’ny goaika eny an-dohasahan-driaka, sy hohanin’ny zana-boromahery.
Aoka ho voaozona izay mamono an-takona ny namany. Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amen.
sy heveriny tsara fa tsy natao ho an’ny olo-marina izy, fa ho an’ny mpandika sy ny mpanohitra, ny tsy manaja an’Andriamanitra sy ny mpanota, ny tsy mpivavaka sy ny tsy mpino, ny mpamono ray sy mpamono reny, ny mpamono olona,