Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Eksodosy 2:18 - Baiboly Katolika

Nony tafaverina tany amin-dRagoela rainy izy ireo, dia hoy izy: «Nahoana no nalaky tafaverina ianareo androany?»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Rehefa tonga teo amin’i Regoela rainy izy fito mirahavavy ireo dia hoy ny rainy: Nahoana no dia nalaky tonga toy izao ianareo androany?

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Nody tany amin’i Rehoela rainy izy fito mirahavavy, ka nanontaniany hoe: –Nahoana no nalaky nody ianareo androany?

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Nody tany amin’i Rehoela rainy izy fito mirahavavy, ka nanontaniany hoe: –Nahoana no nalaky nody ianareo androany?

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary rehefa tonga teo amin-dRegoela rainy izy, dia hoy izy: Nahoana no dia nalaky tonga toy izany hianareo andro-any?

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary rehefa tonga teo amin-dRegoela rainy izy, dia hoy izy: Nahoana no dia nalaky tonga toy izany ianareo androany?

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Rehefa tonga teo amin’i Regoela rainy izy fito mirahavavy ireo dia hoy ny rainy: Nahoana no dia nalaky tonga toy izao ianareo androany?

Jereo ny toko



Eksodosy 2:18
7 Rohy Ifampitohizana  

Ka hoy ny navaliny: «Nisy Ejiptianina anankiray niaro anay tamin’ny tanan’ny mpiandry ondry, sy nanovo rano ho anay aza sady nampisotro ny biby fiompy.»


Ary i Môizy niandry ny biby fiompin’i Jetrao, rafozany, mpisorona tao Madiàna. Nentiny nankany ankoatry ny efitra ny biby, ka tonga tany amin’ny tendrombohitr’Andriamanitra, tany Horeba, izy.


Dia lasa i Môizy. Nony tafaverina tany amin’i Jetrô rafozany izy, dia hoy izy taminy: «Masìna ianao, avelao kely aho hiverina any amin’ireo rahalahiko any Ejipta, mba hizaha raha mbola velona ihany izy.» Ary hoy i Jetrô tamin’i Môizy: «Mandehana amim-piadanana.»


Ary hoy i Môizy tamin’i Hobaba zana-dRagoela, Madianita, rafozan’i Môizy: «Ny dianay izao, dia ho any amin’ny tany nolazain’i Iaveh hoe: Homeko anareo izy. Koa andeha hiaraka aminay, fa hasiany soa ianao, satria i Iaveh efa nampanantena ny hanisy soa an’i Israely.»


Fa ny olona izay tonga maloto, nefa tsy manadio tena, dia hoesorina amin’ny fiangonana, satria mandoto ny Fitoerana masin’i Iaveh. Satria tsy nofafazana ny rano manafaka ny loto izy, dia maloto.


Ary hoy izy ireo taminy: «Aiza izany Lehilahy izany?» «Asa,» hoy izy.