Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Eksodosy 19:8 - Baiboly Katolika

Ka indray namaly ny vahoaka nanao hoe: «Hataonay avokoa izay rehetra voalazan’i Iaveh.» Dia lasa i Môizy nitondra ny tenin’ny vahoaka tany amin’i Iaveh.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Dia indray miredona namaly ny olona rehetra ka niteny hoe: Izay teny rehetra nolazain’NY TOMPO dia hotanterahinay. Ary noentin’i Mosesy tany amin’NY TOMPO kosa ny tenin’ny olona.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Namaly indray miredona ny vahoaka manontolo nanao hoe: –Izay rehetra nandidian’ny TOMPO dia hataonay! Dia notaterin’i Mosesy tamin’ny TOMPO ny valin-tenin’ny Israelita.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Namaly indray miredona ny vahoaka manontolo nanao hoe: –Izay rehetra nandidian’ny TOMPO dia hataonay! Dia notaterin’i Mosesy tamin’ny TOMPO ny valin-tenin’ny Israelita.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Dia namaly indray miredona ny olona rehetra ka nanao hoe: Izay teny rehetra nolazain’i Jehovah dia hataonay. Ary dia nentin’i Mosesy tao amin’i Jehovah kosa ny tenin’ny olona.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Dia namaly indray miredona ny olona rehetra ka nanao hoe: Izay teny rehetra nolazain'i Jehovah dia hataonay. Ary dia nentin'i Mosesy tao amin'i Jehovah kosa ny tenin'ny olona.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Dia indray miredona namaly ny olona rehetra ka niteny hoe: Izay teny rehetra nolazain’NY TOMPO dia hotanterahinay. Ary noentin’i Mosesy tany amin’NY TOMPO kosa ny tenin’ny olona.

Jereo ny toko



Eksodosy 19:8
9 Rohy Ifampitohizana  

Ny vahoaka sisa, ny mpisorona, ny levita, ny mpiandry varavarana, ny mpihira, ny Natineanina, ary izay rehetra nisaraka tamin’ny vahoakan’ny tany, hanaraka ny lalàn’Andriamanitra, mbamin’ny vadin’ireo, ny zanany lahy aman-janany vavy,


Ary hoy izy tamin’i Môizy: «Ianao ihany no aoka hiteny aminay dia hohenoinay; fa aoka tsy ho Andriamanitra no hiteny aminay, fandrao dia maty izahay».


Dia tonga i Môizy, nitondra tamin’ny vahoaka ny tenin’i Iaveh rehetra sy ny lalàna rehetra, ka indray niredona ny vahoaka ka namaly hoe: «Izay teny rehetra voalazan’i Iaveh dia hotanterahinay avokoa».


Izay vao nalainy ny bokin’ny fanekena ary novakiny teo anatrehan’ny vahoaka, izay namaly hoe: «Hataonay sy hoekenay avokoa izay rehetra voalazan’i Iaveh.»


ka nino ny vahoaka; fantany fa efa namangy ny zanak’i Israely i Iaveh sy efa nitsinjo ny fahoriany, ka dia niondrika nitsaoka izy ireo.


Fa hoy ny vahoaka tamin’i Jôsoe: «Tsia, fa hanompo an’i Iaveh izahay.»


Ka hoy ny vahoaka tamin’i Jôsoe: «I Iaveh Andriamanitsika no hotompoinay, ary ny feony no hohenoinay.»