Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Eksodosy 19:4 - Baiboly Katolika

Hitanareo ny nataoko tamin’i Ejipta, sy ny nitondrako anareo tamin’ny ela-boromahery, ary ny nitarihako anareo ho atỳ amiko.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ianareo dia efa nahita izay nataoko tamin’ny Ejiptiana sy izay nitondrako anareo tamin’ny elatry ny voromahery ary ny nitondrako anareo ho atỳ Amiko.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

«Efa hitanareo izay nanaovako ny Ejiptianina, efa hitanareo koa ny nitondrako anareo atỳ ho eto anilako toy ny itondran’ny voromahery ny zanany eo amin’ny elany.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

«Efa hitanareo izay nanaovako ny Ejiptianina, efa hitanareo koa ny nitondrako anareo atỳ ho eto anilako toy ny itondran’ny voromahery ny zanany eo amin’ny elany.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Hianareo efa nahita izay nataoko tamin’ny Egyptiana sy izay nitondrako anareo tamin’ny elatry ny voromahery ary ny nampankanesako anareo ho atỳ amiko.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Hianareo efa nahita izay nataoko tamin'ny Egyptiana sy izay nitondrako anareo tamin'ny elatry ny voromahery ary ny nampankanesako anareo ho atỳ amiko.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ianareo dia efa nahita izay nataoko tamin’ny Ejiptiana sy izay nitondrako anareo tamin’ny elatry ny voromahery ary ny nitondrako anareo ho atỳ Amiko.

Jereo ny toko



Eksodosy 19:4
15 Rohy Ifampitohizana  

Fa izay miankina amin’i Iaveh kosa, mahazo hery vaovao; hisidina avo toy ny voromahery; hihazakazaka, tsy hahalala sasatra; handeha fa tsy hahatsiaro vizana.


Tamin’ny fahorian’ireo rehetra, niory koa izy, ary ny Anjelin’ny tavany namonjy azy ireo. Noho ny fitiavany sy ny hamoram-pony dia ny Tenany no nanavotra azy ireo; nanohana sy nivimbina azy, nandritra ny andro rehetra fahiny.


Tia an’i Israely Aho fony mbola zaza izy; ka hatrany Ejipta nisy fiantsoana nataoko ny zanako.


Mbola eo ihany ny fanekena nataoko taminareo, fony ianareo nivoaka avy tany Ejipta; ary mitoetra eo aminareo ny Fanahiko; koa aza matahotra akory.


Tsy iray ray va isika rehetra? Tsy Andriamanitra iray va no nahary antsika? Ka nahoana àry ity isika, no samy mivadika amin’ny rahalahintsika avy, ka mandoro ny fanekena tamin’ny razantsika?


fa i Iaveh Andriamanitrareo izay mandeha eo alohanareo, dia Izy no hiady ho anareo, araka izay rehetra efa nataony ho anareo tany Ejipta teo imasonareo,


ary tany an’efitra koa; ary hitanao tao izay nitondran’i Iaveh Andriamanitrao anao, fa toy ny fitondran’ny olona ny zanany, tany amin’ny lalana rehetra nalehanareo, hatramin’ny nahatongavanareo amin’ity toerana ity.


Niantso an’i Israely rehetra i Môizy, dia nilaza taminy hoe: Efa hitanareo izay nataon’i Iaveh teo imasonareo, tany amin’ny tany Ejipta, tamin’i Faraôna sy ny mpanompony rehetra ary ny taniny rehetra,


dia ny fizahan-toetra lehibe, ireo famantarana amam-pahagagana lehibe efa hitan’ny masonao.


Kanefa mitandrema tena ianao, ary tandremo tsara ny fanahinao, fandrao manadino ny zavatra hitan’ny masonao, na mamela azy hiala amin’ny fonao, na dia indray andro amin’ny fiainanao aza, fa ampianaro ny zanakao aman-jafinao izany.


Efa hitanareo izay rehetra nataon’i Iaveh Andriamanitrareo tamin’ny firenena rehetra teo anoloanareo, fa i Iaveh Andriamanitrareo no niady ho anareo.


Nomena ela-boromahery lehibe roa anefa Ravehivavy, mba hanidinany ho any an’efitra amin’ny fitoerany, izay namelomana azy fotoana iray, sy fotoana roa, ary antsasaky ny fotoana, mba tsy hahitan’ilay menarana azy.