I Jetrô rafozan’i Môizy niaraka tamin’ny zanak’i Môizy sy ny vadiny, dia tonga nanatona azy tany an’efitra nitobiany, tany an-tendrombohitr’Andriamanitra;
Eksodosy 18:6 - Baiboly Katolika ka nampilaza tamin’i Môizy hoe: «Tonga atỳ aminao aho, izaho Jetrô rafozanao mbamin’ny vadinao sy ny zanany roalahy miaraka aminy.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia nampilaza tamin’i Mosesy izy hoe: Izaho Jetro rafozanao dia tonga hamangy anao, miaraka amin’ny vadinao sy ny zanany roa lahy. DIEM PROTESTANTA Nampilaza tamin’i Mosesy i Jetrao hoe: «Izaho rafozanao no ho avy any aminao, miaraka amin’ny vadinao sy ny zanakao roa lahy.» Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Nampilaza tamin’i Mosesy i Jetrao hoe: «Izaho rafozanao no ho avy any aminao, miaraka amin’ny vadinao sy ny zanakao roa lahy.» Baiboly Protestanta Malagasy dia nampilaza tamin’i Mosesy izy ka nanao hoe: Izaho Jetro rafozanao avy hamangy anao, ary ny vadinao mbamin’ny zanany roa lahy koa. Malagasy Bible dia nampilaza tamin'i Mosesy izy ka nanao hoe: Izaho Jetro rafozanao avy hamangy anao, ary ny vadinao mbamin'ny zanany roa lahy koa. La Bible en Malgache Dia nampilaza tamin’i Mosesy izy hoe: Izaho Jetro rafozanao dia tonga hamangy anao, miaraka amin’ny vadinao sy ny zanany roa lahy. |
I Jetrô rafozan’i Môizy niaraka tamin’ny zanak’i Môizy sy ny vadiny, dia tonga nanatona azy tany an’efitra nitobiany, tany an-tendrombohitr’Andriamanitra;
Dia nivoaka hitsena ny rafozany i Môizy; ka niankohoka sy nanoroka azy; ary rehefa nifanontany ny toe-pahasalamany avy izy aloha, dia niditra tao an-dain’i Môizy.
Dia nalain’i Môizy ny vady aman-janany, nampitaingenany ampondra, ka niverina ho any an-tany Ejipta izy. Nataon’i Môizy an-tanany ny tehin’Andriamanitra.