Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Eksodosy 17:16 - Baiboly Katolika

Ka hoy izy: «Efa nanangan-tanan-kamely ny seza fiandrianan’i Iaveh izy ireo, koa i Iaveh kosa hiady amin’i Amaleka amin’ny taona mifandimby hatrany».

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Hoy mantsy izy: NY TOMPO nianiana hoe: Satria nisy tanana niainga hamely ny sezafiandrianan’NY TOMPO dia tsy hitsahatra hatramin’izay taranany fara aman-dimby ny adin’NY TOMPO amin’ny Amalekita.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Ary hoy izy hoe: –Satria ny Hamalekita efa nanainga tanana hanohitra ny sezafiandrianan’ny Tompo, dia hiady amin’izy ireo hatrany hatrany ny TOMPO.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Ary hoy izy hoe: –Satria ny Hamalekita efa nanainga tanana hanohitra ny sezafiandrianan’ny Tompo, dia hiady amin’izy ireo hatrany hatrany ny TOMPO.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Fa hoy izy: Jehovah nianiana hoe: Ny adin’i Jehovah amin’ny Amalekita dia tsy hitsahatra hatramin’izay taranany fara mandimby.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Fa hoy izy: Jehovah nianiana hoe: Ny adin'i Jehovah amin'ny Amalekita dia tsy hitsahatra hatramin'izay taranany fara mandimby.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Hoy mantsy izy: NY TOMPO nianiana hoe: Satria nisy tanana niainga hamely ny sezafiandrianan’NY TOMPO dia tsy hitsahatra hatramin’izay taranany fara aman-dimby ny adin’NY TOMPO amin’ny Amalekita.

Jereo ny toko



Eksodosy 17:16
5 Rohy Ifampitohizana  

«Efa nianiana tamin’ny tenako Aho, hoy i Iaveh, fa noho ianao nanao izany sy tsy nandà fa nahafoy ny zanakao, ilay lahy tokanao, ho Ahy,


I Iaveh no heriko sy fototry ny tononkirako, Izy no namonjy ahy. Izy no Andriamanitro, ka hankalazaiko, Sady Andriamanitry ny raiko, ka hoderaiko.


Izao no lazain’i Iaveh: Ny lanitra no seza fiandrianako; ary ny tany no fitoeran-tongotro. Ka trano inona no hataonareo ho Ahy, ary fitoerana manao ahoana no ho fitsaharako?


Ny lanitra no seza fiandrianako, ary ny tany no fitoeran-tongotro kosa. Trano manao ahoana no hataonareo ho Ahy, hoy ny Tompo. Ary fitoerana toy inona no ho fitsaharako?