Dia nasain’i Môizy niainga avy ao amin’ny Ranomasina Mena i Israely. Nandroso nankany amin’ny efitra Sora, ary hateloana izy nandeha tsy nahita rano tamin’io efitra io.
Eksodosy 17:1 - Baiboly Katolika Niala tao an’efitra Sina ny fiangonan’ny zanak’i Israely rehetra, araka ny dia nandidian’i Iaveh azy, dia nitoby tao Rafidima, ka tsy nahita rano hosotroina tao ny vahoaka. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary nifindra ny fiangonan’ny Zanak’Israely manontolo ka niala tao amin’ny tany efitra Sina, ho any amin’izay toerana natoron’NY TOMPO hitobiany, ary nitoby tao Refidima nefa tsy nisy rano hosotroiny ny olona. DIEM PROTESTANTA Araka ny baikon’ny TOMPO dia niala tao an-taniefitr’i Sina ny fiangonana Israelita manontolo mba hanohy ny diany. Nitoby tao Refidima izy, kanefa tsy nisy rano hosotroin’ny vahoaka tao. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Araka ny baikon’ny TOMPO dia niala tao an-taniefitr’i Sina ny fiangonana Israelita manontolo mba hanohy ny diany. Nitoby tao Refidima izy, kanefa tsy nisy rano hosotroin’ny vahoaka tao. Baiboly Protestanta Malagasy ARY nifindra ny fiangonana, dia ny Zanak’Isiraely rehetra, ka niala tao an-efitra Sina, araka izay natoron’i Jehovah hitobiany, dia nitoby tao Refidima; ary tsy nisy rano hosotroin’ny olona. Malagasy Bible Ary nifindra ny fiangonana, dia ny Zanak'Isiraely rehetra, ka niala tao an-efitra Sina, araka izay natoron'i Jehovah hitobiany, dia nitoby tao Refidima; ary tsy nisy rano hosotroin'ny olona. La Bible en Malgache Ary nifindra ny fiangonan’ny Zanak’Israely manontolo ka niala tao amin’ny tany efitra Sina, ho any amin’izay toerana natoron’NY TOMPO hitobiany, ary nitoby tao Refidima nefa tsy nisy rano hosotroiny ny olona. |
Dia nasain’i Môizy niainga avy ao amin’ny Ranomasina Mena i Israely. Nandroso nankany amin’ny efitra Sora, ary hateloana izy nandeha tsy nahita rano tamin’io efitra io.
Niala teo Elima izy ireo ary ny fiangonan’ny zanak’i Israely rehetra dia tonga tany an’efitra Sina, anelanelan’i Elima sy Sinaia tamin’ny andro fahadimy ambin’ny folon’ny volana faharoa, taorian’ny nialany tany amin’ny tany Ejipta.
Efa niala tany Refidima izy; ary nony tonga tamin’ny efitr’i Sinaia, dia nitoby tao an’efitra; tandrifin’ny tendrombohitra no nitobian’i Israely.
Noho ny tsy fisian’ny rano ho an’ny fiangonana, dia nivory hiodina amin’i Môizy sy i Aarôna izy ireo.
Nony nisondrotra niala tamin’ny trano lay ny rahona, dia niainga nifindra toby ny zanak’i Israely; ary eo amin’izay ijanonan’ny rahona no itobiany.
Didin’i Iaveh no nitobiany, didin’i Iaveh no niaingany: nitandrina ny didin’i Iaveh izy ireo, araka ny tenin’i Iaveh izay nomeny tamin’ny alalan’i Môizy.