Jereo ange: noho i Iaveh nanome anareo ny sabata, dia omeny mofo ampy indroa andro ianareo, amin’ny andro fahenina. Koa samia mitoetra eo amin’ny fitoerany ianareo, fa aza misy mivoaka hiala amin’ny toerana misy azy amin’ny andro fahafito.»
Eksodosy 16:30 - Baiboly Katolika Ka dia nitsahatra ny olona tamin’ny andro fahafito. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia nitsahatra ny olona tamin’ny andro fahafito. DIEM PROTESTANTA Dia nitsahatra ny vahoaka Israelita tamin’ny andro fahafito. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia nitsahatra ny vahoaka Israelita tamin’ny andro fahafito. Baiboly Protestanta Malagasy Dia nitsahatra ny olona tamin’ny andro fahafito. Malagasy Bible Dia nitsahatra ny olona tamin'ny andro fahafito. La Bible en Malgache Dia nitsahatra ny olona tamin’ny andro fahafito. |
Jereo ange: noho i Iaveh nanome anareo ny sabata, dia omeny mofo ampy indroa andro ianareo, amin’ny andro fahenina. Koa samia mitoetra eo amin’ny fitoerany ianareo, fa aza misy mivoaka hiala amin’ny toerana misy azy amin’ny andro fahafito.»
Mana no nataon’ny taranak’i Israely anaran’io zava-pihinana io; tahaka ny voan-koriandra izy, ary fotsy, ary toy ny mofo misy tantely ny tsirony.
«Andro enina no hiasana, fa ny andro fahafito dia sabata, fitsaharana amin’ny asa rehetra, hasiana fivoriana masina. Tsy hanao asa na inona na inona ianareo, fa fitsaharana voatokana ho an’i Iaveh io, any amin’izay tany rehetra honenanareo.»