Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Eksodosy 10:14 - Baiboly Katolika

Niakatra amin’ny tany Ejipta ny valala dia nipetraka tamin’ny faritanin’i Ejipta manontolo. Loza ny habetsahany, fa tsy mbola nisy izay toy izany, ary tsy hisy intsony koa ny toy izany.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ary ny valala dia niakatra ho amin’ny tany Ejipta manontolo, dia nipetraka manerana ny tany Ejipta manontolo; natevina dia natevina izany ka tsy nisy valala toy izany tany aloha, ary any aorianany koa dia tsy hisy toy izany.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Niparitaka nanerana an’i Ejipta ireny ka nipetraka tamin’ny faritra rehetra. Betsaka loatra ny valala ka tsy mbola nisy toa izany na tany aloha na taty aoriana.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Niparitaka nanerana an’i Ejipta ireny ka nipetraka tamin’ny faritra rehetra. Betsaka loatra ny valala ka tsy mbola nisy toa izany na tany aloha na taty aoriana.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary ny valala niakatra ho amin’ny tany Egypta rehetra, dia nipetraka nanerana ny tany Egypta rehetra; ary nampahory indrindra ireny, ka tsy nisy valala toy izany tany aloha, ary ato aoriany koa tsy hisy toy izany.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary ny valala niakatra ho amin'ny tany Egypta rehetra, dia nipetraka nanerana ny tany Egypta rehetra; ary nampahory indrindra ireny, ka tsy nisy valala toy izany tany aloha, ary ato aoriany koa tsy hisy toy izany.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ary ny valala dia niakatra ho amin’ny tany Ejipta manontolo, dia nipetraka manerana ny tany Ejipta manontolo; natevina dia natevina izany ka tsy nisy valala toy izany tany aloha, ary any aorianany koa dia tsy hisy toy izany.

Jereo ny toko



Eksodosy 10:14
13 Rohy Ifampitohizana  

Raha misy mosary amin’ny tany, na misy pesta, na misy aretim-bary, na niela, na valala, na kasily, na avy izay hanaovan’ny fahavalo fahirano azy amin’ny taniny, amin’ny vavahadiny, na hisian’ny loza aman’aretina, na inona na inona izy,


Natolony ho an’ny valala ny vokatry ny taniny, dia ho an’ireny andiany maro be, ny vokatry ny asany.


Hisy fidradradradrana mafy eran’ny tany Ejipta rehetra, izay tsy mbola nisy toa azy ary tsy hisy tao azy intsony.


Ary indro rahampitso toy izao dia handatsaka havandra be dia be Aho, ka tsy mbola nisy toy izany teto Ejipta hatrizay naha-Ejipta an’i Ejipta, ka mandrak’ankehitriny.


Ny valala, tsy mana-mpanjaka, nefa miainga, manao antokony avokoa izy ireo;


Nosimbany ny voaloboko; notapatapahiny ny aviaviko; dia nataony makiky sady nazerany ireny; ary tonga tena fotsy mihitsy ny rantsany.


Be no voan-javatra hoentinao any an-tsahanao fa kely no hakarinao, satria ho lanin’ny valala ireny.


Ho lanin’ny bibikely ny hazonao rehetra sy ny vokatry ny taninao.