dia niara-nidinika tamin’ny lehibe sy ny lehilahy maheriny izy, hanarona ny rano amin’ny loharano any ivelan’ny tanàna ka nanampy azy izy ireo.
Apokalipsy 8:10 - Baiboly Katolika Nitsoka ny trômpetra koa ny Anjely fahatelo, dia nisy kintana lehibe anankiray, mirehitra toy ny fanilo, nilatsaka avy any an-danitra, nianjera tamin’ny ampahatelon’ny ony, sy tamin’ny loharano. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Nitsoka ny anjely fahatelo dia nisy kintana lehibe mirehitra toy ny fanilo nilatsaka avy tany an-danitra. Latsaka tamin’ny ampahatelon’ny ony sy tamin’ny loharano izany. DIEM PROTESTANTA Nitsoka trompetra ilay anjely fahatelo, dia nisy kintana anankiray lehibe, mirehitra toy ny fanilo, nilatsaka avy tany an-danitra ary nianjera tamin’ny ampahatelon’ireo ony sy tamin’ireo loharano. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Nitsoka trompetra ilay anjely fahatelo, dia nisy kintana anankiray lehibe, mirehitra toy ny fanilo, nilatsaka avy tany an-danitra ary nianjera tamin’ny ampahatelon’ireo ony sy tamin’ireo loharano. Baiboly Protestanta Malagasy Ary ny anjely fahatelo nitsoka, dia nisy kintana lehibe mirehitra toy ny fanilo latsaka avy tany an-danitra; ary latsaka tamin’ny ampahatelon’ny ony sy tamin’ny loharano izany; Malagasy Bible Ary ny anjely fahatelo nitsoka, dia nisy kintana lehibe mirehitra toy ny fanilo latsaka avy tany an-danitra; ny latsaka tamin'ny ampahatelon'ny ony sy tamin'ny loharano izany; La Bible en Malgache Nitsoka ny anjely fahatelo dia nisy kintana lehibe mirehitra toy ny fanilo nilatsaka avy tany an-danitra. Latsaka tamin’ny ampahatelon’ny ony sy tamin’ny loharano izany. |
dia niara-nidinika tamin’ny lehibe sy ny lehilahy maheriny izy, hanarona ny rano amin’ny loharano any ivelan’ny tanàna ka nanampy azy izy ireo.
Hanovo rano an-kafaliana ianareo amin’ny loharanom-pamonjena, ary izao no holazainareo amin’izany andro izany:
Akory ity ianao no potraka avy any an-danitra, ry kintana mamirapiratra, zanaky ny maraina? Akory ity ianao no mitsingidina amin’ny tany, ianao ilay mpandrava firenena?
Amin’ny tany rehetra, - teny marin’i Iavehn’ny tafika, - ny androatokony haringana ho faty, ary ny ampahatelony sisa, havela ho ao ihany.
Fa io ampahatelony io hampidiriko ao amin’ny afo, hodioviko toy ny fandio volafotsy, haofana toy ny fanofana volamena. Izy hiantso ny Anarako; ary Izaho hamaly azy. Izaho hanao hoe: «Oloko izy!» Ary izy hilaza hoe: «Andriamanitro i Iaveh!»
«Ary amin’izany ny fanjakan’ny lanitra, dia ho tahaka ny virjiny folo izay naka ny fanalany, ka lasa nitsena ny mpampakatra sy ny ampakarina.
Dia hoy i Jesoa taminy: «Nahita an’i Satana latsaka avy tany an-danitra toy ny varatra Aho.
onjan-dranomasina misamboaravoara, mandoa vorin’ny fahafaham-baràka ho azy; ary kintana mirenireny, fiandrin’ny haizim-pito mandrakizay.
izao no hevitry ny kintana fito hitanao teo an-tanako ankavanana, sy ny fanaovan-jiro volamena fito: ny kintana fito moa dia ny Anjelin’ny Eglizy fito; ary ny fanaovan-jiro fito kosa dia ny Eglizy fito.»
Nofinaokany tamin’ny rambony ny ampahatelon’ny kintan’ny lanitra ka nazerany tamin’ny tany. Dia nijoro teo anoloan-dRavehivavy hiteraka izy mba handrapaka ny Zanany, raha vao teraka.
Izao no nambarany tamin’ny feo mahery: «Matahora an’Andriamanitra; omeo voninahitra Izy, fa tonga ny andro fitsarany. Mitsaoha an’Ilay nahary ny lanitra sy ny tany, mbamin’ny ranomasina sy ny loharano.»
Nandraraka ny tao anaty kapoakany tamin’ny ony sy ny loharano koa ny Anjely fahatelo, dia tonga ra ny rano.
ary ny kintan’ny lanitra niraraka tamin’ny tany, toy ny voan’aviavy manta mihintsana fa voahozongozon’ny rivotra mafy.
Dia nitsoka ny trômpetra ny Anjely voalohany, ka nisy havandra sy afo miharo ra nalatsaka tamin’ny tany, ary may ny ampahatelon’ny tany, may ny ampahatelon’ny hazo, may koa ny ahi-maitso rehetra.
Dia nitsoka ny trômpetra ny Anjely fahadimy, ka hitako kintana anankiray avy any an-danitra, nilatsaka tetỳ an-tany; nomena azy io ny fanalahidin’ny lavaka tsy hita noanoa.
Dia novahana ireo Anjely efatra izay efa voaoman-drahateo ho amin’ny ora sy andro ary volana sy taona voatendry, hamono ny ampahatelon’ny olona;
Ary ireo loza telo nivoaka tamin’ny vavany ireo, dia ny afo sy ny setroka ary ny solifara, no nahafaty ny ampahatelon’ny olona;
Nidina ny lehilahy telo arivo tamin’i Jodà nankany amin’ilay zohy amin’ny vatolampin’i Etama ka nanao tamin’i Samsôna hoe: «Tsy fantatrao va fa mpanapaka antsika ny Filistinina, ka ahoana no dia nanaovanao toy izao aminay?» Ary hoy ny navaliny azy ireo: «Toraky ny nataony tamiko ihany no nataoko taminy kosa.»