Dia nataony hoe i Josefa ny anarany, fa hoy izy: «Hanampy zazalahy iray ho ahy koa anie i Iaveh.»
Apokalipsy 7:8 - Baiboly Katolika 12.000 avy amin’ny fokon’i Zabolôna; 12.000 avy amin’ny fokon’i Josefa, ary 12.000 avy amin’ny fokon’i Benjamina no voaisy fitomboka. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 tamin’ny fokon’i Zebolona, roa arivo sy iray alina; tamin’ny fokon’i Josefa, roa arivo sy iray alina; tamin’ny fokon’i Benjamina, roa arivo sy iray alina no voaisy tombo-kase. DIEM PROTESTANTA Avy tamin’ny fokon’i Zebolòna: 12 000. Avy tamin’ny fokon’i Jôsefa: 12 000. Avy tamin’ny fokon’i Benjamîna: 12 000 no voaisy tombokase. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Avy tamin’ny fokon’i Zebolòna: 12 000. Avy tamin’ny fokon’i Jôsefa: 12 000. Avy tamin’ny fokon’i Benjamîna: 12 000 no voaisy tombokase. Baiboly Protestanta Malagasy Avy tamin’ny firenen’i Zebolona roa arivo amby iray alina. Avy tamin’ny firenen’i Josefa roa arivo amby iray alina. Avy tamin’ny firenen’i Benjamina roa arivo amby iray alina no voaisy tombo-kase. Malagasy Bible Avy tamin'ny firenen'i Zebolona roa arivo amby iray alina. Avy tamin'ny firenen'i Josefa roa arivo amby iray alina. Avy tamin'ny firenen'i Benjamina roa arivo amby iray alina no voaisy tombo-kase. La Bible en Malgache tamin’ny fokon’i Zebolona, roa arivo sy iray alina; tamin’ny fokon’i Josefa, roa arivo sy iray alina; tamin’ny fokon’i Benjamina, roa arivo sy iray alina no voaisy tombo-kase. |
Dia nataony hoe i Josefa ny anarany, fa hoy izy: «Hanampy zazalahy iray ho ahy koa anie i Iaveh.»
Tsy nety anefa i rainy fa hoy izy: «Fantatro ihany anaka. Ho tonga firenena koa izy, ho tonga lehibe koa izy, kanefa ho lehibe noho izy ny zandriny, ary ho tonga firenena maro ny taranany.»
Ny terak’i Benjamina, ny taranak’ireo araka ny fianakaviany sy ny fokom-pianakaviany avy, rehefa nisaina ny anarany hatramin’ny roapolo taona no ho miakatra, ny lehilahy rehetra mahatàm-piadiana,
12.000 avy amin’ny fokon’i Simeôna; 12.000 avy amin’ny fokon’i Levi; 12.000 avy amin’ny fokon’i Isakara;
Nanaraka izany, dia nahita vahoaka be tsy azon’olona isaina aho, avy amin’ny firenena rehetra, sy ny fokom-pirenena ary ny fanjakana mbamin’ny samihafa fiteny rehetra, nitsangana teo anoloan’ny seza fiandrianana sy ny Zanak’ondry, miakanjo fotsy sy mitana sampan-drofia.