ary nahita ny Andriamanitr’i Israely izy ireo: teo ambanin’ny tongony dia nisy toa zavatra voavoatra natao tamin’ny safira mamirapiratra, zavatra mangarangarana toy ny lanitra.
Apokalipsy 4:3 - Baiboly Katolika Toy ny vato jaspa sy sardoana ny tarehin’ilay nipetraka; ary voahodidina avana miendrik’emeraoda ny seza fiandrianana. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary ny tarehin’Ilay nipetraka dia tahaka ny vato jaspy sy karneola, ary nisy avana mitarehin’emeraoda nanodidina ny sezafiandrianana. DIEM PROTESTANTA Ny tarehin’Ilay nipetraka dia namiratra tahaka ny vatosoa jaspa sy sardoanina; ary avana miendrika vatosoa emeralda no nanodidina ilay sezafiandrianana. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ny tarehin’Ilay nipetraka dia namiratra tahaka ny vatosoa jaspa sy sardoanina; ary avana miendrika vatosoa emeralda no nanodidina ilay sezafiandrianana. Baiboly Protestanta Malagasy Ary ny tarehin’Ilay nipetraka dia tahaka ny vato jaspy sy karneola; ary avana mitarehin’emeralda no nanodidina ny seza fiandrianana. Malagasy Bible Ary ny tarehin'ilay nipetraka dia tahaka ny vato jaspy sy karneola; ary avana mitarehin'emeralda no nanodidina ny seza fiandrianana. La Bible en Malgache Ary ny tarehin’Ilay nipetraka dia tahaka ny vato jaspy sy karneola, ary nisy avana mitarehin’emeraoda nanodidina ny sezafiandrianana. |
ary nahita ny Andriamanitr’i Israely izy ireo: teo ambanin’ny tongony dia nisy toa zavatra voavoatra natao tamin’ny safira mamirapiratra, zavatra mangarangarana toy ny lanitra.
Tamin’ny taona nahafatesan’i Oziasa, mpanjaka, no nahitako ny Tompo, nipetraka teo ambonin’ny seza fiandrianana avo sy manerinerina, ary nahafeno ny tempoly ny rebareban’akanjo.
Eo ambonin’ilay andohalambo nivelatra teo ambonin’ny lohany, nisy hoatra ny vato safira, mitarehin-tseza fiandrianana; ary toa nisy hoatra ny endrik’olona teo ambonin’io mitarehin-tseza fiandrianana io.
Hoatra ny fijery ny avana eny amin’ny rahona, amin’ny andro misy orana, no fijery ny famirapiratana nanodidina azy. Toy izany no fijery ny sarin’ny voninahitr’i Iaveh. Nony nahita izany aho, dia lavo, niankohoka tamin’ny tany, nandre feon’olona niteny.
Ary nahita aho, ka indro teo ambonin’ny andohalambo, tambonin’ireo lohan’ny Kerobima, dia nisy hoatra ny vato safira; nisy zavatra mitarehin-tseza fiandrianana no fijery azy, teo ambonin’ireo.
tany Edena, sahan’Andriamanitra, ianao, rakotry ny vatosoa: dia sardoana, tôpazy, diamondra, krisôlita, ôniksa, jaspa, safira, eskarbokla, emeraoda, ary volamena nanana amponga tapaka aman-tsodina ho fanompoana anao efa voaomana tamin’ny andro nahariana anao.
Dia nahita Anjely anankiray hafa koa aho, nidina avy any an-danitra ka rahona no nitafiany, avana no teo ambony lohany, tahaka ny masoandro ny tarehiny, ary sahala amin’ny andry afo ny tongony.
Namirapiratry ny voninahitr’Andriamanitra izy, ary voazavan’ny kintana toy ny vato sarobidy, dia ny vato jaspa izay azo itarafana toy ny kristaly.