Apokalipsy 20:1 - Baiboly Katolika Ary nahita Anjely anankiray nidina avy any an-danitra aho, izay nitana ny fanalahidin’ny lavaka tsy hita noanoa sy rojo vy lehibe anankiray teny an-tanany. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary hitako fa indro, nisy anjely nidina avy tany an-danitra, nanana ny fanalahidin’ny lavaka tsy hita noanoa sy gadra lehibe teny an-tanany. DIEM PROTESTANTA Ary hitako nisy anjely anankiray nidina avy tany an-danitra, izay nanana ny fanalahidin’ny hantsambe sy rojo vy lehibe teny an-tanany. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ary hitako nisy anjely anankiray nidina avy tany an-danitra, izay nanana ny fanalahidin’ny hantsambe sy rojo vy lehibe teny an-tanany. Baiboly Protestanta Malagasy ARY hitako fa, indro, nisy anjely nidina avy tany an-danitra, nanana ny fanalahidin’ny lavaka tsy hita noanoa sy gadra lehibe eny an-tànany; Malagasy Bible Ary hitako fa, indro, nisy anjely nidina avy tany an-danitra, nanana ny fanalahidin'ny lavaka tsy hita noanoa sy gadra lehibe eny an-tànany; La Bible en Malgache Ary hitako fa indro, nisy anjely nidina avy tany an-danitra, nanana ny fanalahidin’ny lavaka tsy hita noanoa sy gadra lehibe teny an-tanany. |
Fa matoa tsy namindra fo tamin’ny Anjely nanota Andriamanitra, fa namarina sy nanjera azy any an-davaka maizina izay itanany azy ho amin’ny fitsarana;
Ary ny Anjely tsy nahatana ny fiamboniany fa nitsoa-ponenana, dia tanany am-patorana mandrakizay ao anatin’ny haizina, sy tahiriziny ho amin’ny andro fitsarana lehibe.
efa maty Aho, nefa indro velona mandrakizay mandrakizay, sady manana ny fanalahidin’ny fahafatesana sy ny Afobe.
Dia nahita Anjely anankiray hafa koa aho, nidina avy any an-danitra ka rahona no nitafiany, avana no teo ambony lohany, tahaka ny masoandro ny tarehiny, ary sahala amin’ny andry afo ny tongony.
Taorian’izany, dia hitako nidina avy any an-danitra ity Anjely anankiray hafa koa, nanam-pahefana lehibe, sy nanazava ny tany tamin’ny voninahiny.
dia nazerany tao amin’ny lavaka tsy hita noanoa, ary nohidiany tao sy nasiany tombokase teo amboniny, mba tsy hamitahany ny firenena maro intsony, mandra-pahatapitry ny arivo taona; fa rehefa afaka izany dia tsy maintsy hovahana kelikely indray izy aloha.