Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Apokalipsy 2:16 - Baiboly Katolika

Koa mibebaha, fa raha tsy izany dia ho avy aminao faingana Aho, ka hamely an’ireo amin’ny sabatry ny vavako.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Koa mibebaha; fa raha tsy izany dia ho avy aminao haingana Aho ka hamely ireo amin’ny sabatry ny vavako.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Koa ialao ny toe-dratsinao; fa raha tsy izany, dia ho avy aminao faingana Aho ka hamely an’ireo amin’ilay sabatra mivoaka avy eo am-bavako.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Koa ialao ny toe-dratsinao; fa raha tsy izany, dia ho avy aminao faingana Aho ka hamely an’ireo amin’ilay sabatra mivoaka avy eo am-bavako.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Koa dia mibebaha; fa raha tsy izany, dia ho avy aminao faingana Aho ka hamely ireo amin’ny sabatry ny vavako.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Koa dia mibebaha; fa raha tsy izany, dia ho avy aminao faingana Aho ka hamely ireo amin'ny sabatry ny vavako.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Koa mibebaha; fa raha tsy izany dia ho avy aminao haingana Aho ka hamely ireo amin’ny sabatry ny vavako.

Jereo ny toko



Apokalipsy 2:16
15 Rohy Ifampitohizana  

Ny madinika hotsarainy ara-drariny, ary ny mpietry eto an-tany dia hamoahany teny fitsarana araka ny marina. Hikapoka ny tany amin’ny tsora-kazon’ny vavany izy, ary hamono ny ratsy fanahy amin’ny fofon’ain’ny molony.


Nataony sabatra maranitra ny lelako; nalofany tamin’ny aloky ny tanany aho; nataony zana-tsipìka maranitra aho, nafeniny teo amin’ny tranon-jana-tsipìkany.


Raiso koa ny fanantenam-pamonjena ho fiarovan-doha, ary ny tenin’Andriamanitra ho sabatry ny fanahy.


ka dia hiseho amin’izany ilay ratsy, ka holevonin’i Jesoa amin’ny fofon’ain’ny vavany, sy hofoanany amin’ny fisehoan’ny fahatongavany.


Ny tanany havanana nitana kintana fito, ny vavany nivoahan-tsabatra marani-dany roa, ary ny tarehiny toy ny masoandro mamirapiratra amin’ny heriny indrindra.


ka main’ny afo mafy indrindra ny olona; nefa ny manevateva ny Anaran’Andriamanitra, Izay manam-pahefana amin’ireny loza ireny no nataony, fa tsy ny mibebaka mba hanome voninahitra Azy Tompo.


nisy sabatra marani-dany roa nivoaka avy ao am-bavany, mba hamelezany ny firenena, ary hifehy azy amin’ny tsora-by izy, sady ny tenany ihany no hanitsaka ny famiazana ny divain’ny fahatezeran’Andriamanitra tsitoha;


ary ny olona sisa dia matin’ny sabatra nivoaka avy ao am-bavan’ilay nitaingina ny soavaly, ka vokin’ny nofony ny vorona rehetra.


Manorata koa ho an’ny Anjelin’ny Eglizin’i Pergama: Izao no lazain’Ilay manana ny sabatra marani-dany roa:


Koa tsarovinao izay nihemoranao dia mibebaha, ka miverena amin’ny asanao voalohany; fa raha tsy izany, dia ho avy aminao Aho, ka hanesotra ny fanaovan-jironao amin’ny fitoerany raha tsy mibebaka ianao.


Izao no lazain’ilay manambara ireo zavatra ireo: Eny, avy faingana aho. Amen! Avia, ry Jesoa Tompo!


Indro, avy faingana Aho. Sambatra izay mitandrina ny tenin’ny faminaniana amin’ity boky ity.»


Izay rehetra tiako no anariko sy faiziko; mazotoa àry, ka mibebaha.