Apokalipsy 16:4 - Baiboly Katolika Nandraraka ny tao anaty kapoakany tamin’ny ony sy ny loharano koa ny Anjely fahatelo, dia tonga ra ny rano. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary ny fahatelo dia nampidina ny tao an-doviany tamin’ny ony sy ny loharano. Dia nody ra ireny. DIEM PROTESTANTA Dia nandraraka ny tao an-doviany tamin’ny ony sy ny loharano ny anjely fahatelo, ka tonga ra ny rano. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia nandraraka ny tao an-doviany tamin’ny ony sy ny loharano ny anjely fahatelo, ka tonga ra ny rano. Baiboly Protestanta Malagasy Ary ny fahatelo nampidina ny tao an-doviany tamin’ny ony sy ny loharano; dia nody ra ireny. Malagasy Bible Ary ny fahatelo nampidina ny tao an-doviany tamin'ny ony sy ny loharano; dia nody rà ireny. La Bible en Malgache Ary ny fahatelo dia nampidina ny tao an-doviany tamin’ny ony sy ny loharano. Dia nody ra ireny. |
Ka hoy i Môizy tamin’i Faraôna: «Lazao amiko àry izay sitraponao: Ho amin’ny fotoana inona no hanaovako fivavahana ho anao sy ho an’ny mpanomponao amam-bahoakanao, mba hanalaviran’i Iaveh ny sahona aminao sy amin’ny tranonao, ka tsy hisiany intsony, afa-tsy ao amin’ny ony ihany.» Dia hoy izy:
Tonga Aho: nahoana no tsy nisy olona? Niantso Aho: nahoana no tsy nisy namaly? Moa fohy tanana va Aho, ka tsy afa-namonjy? Sa tsy ampy hery hoenti-manafaka? Vao rahonako fotsiny dia maina ny ranomasina, zary efitra ny ony, maimbo ny hazandranony, fa ritra ny rano, ka matin’ny hetaheta ireny.
Hofenoiko ny maratra ho faty aminy ny tendrombohiny; eny amin’ny havoananao, sy eny amin’ny lohasaha aman-dohasahan-driakanao, dia ho lavo ny olona voavonon’ny sabatra.
Fa hahavokatra eo amin’ny rahalahiny i Efraima; nefa ho tonga ny rivotra avy atsinanana; hiakatra avy any an’efitra ny fofon’ain’i Iaveh; ka ho maina ny loharanony; ho tankina ny fantsakàny; hobaboiny ny firaketan’ny zava-tsarobidy rehetra.
Manam-pahefana hanidy ny lanitra izy ireo, mba tsy hilatsahan’ny ranonorana amin’ny andro haminaniany; sady manam-pahefana amin’ny rano koa izy, ka mahova azy ho ra, sy hamely ny tany amin’ny loza rehetra isaky ny te-hanao izany izy.
Izao no nambarany tamin’ny feo mahery: «Matahora an’Andriamanitra; omeo voninahitra Izy, fa tonga ny andro fitsarany. Mitsaoha an’Ilay nahary ny lanitra sy ny tany, mbamin’ny ranomasina sy ny loharano.»
Ary reko ny Anjelin’ny rano nanao hoe: «Marina Ianao izay ankehitriny sy taloha, ary masina Ianao izay nitsara toy izao.