Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Apokalipsy 15:2 - Baiboly Katolika

Ary nahita toa ranomasina fitaratra miharo afo aho; ka izay nandresy ny Biby sy ny sariny ary ny isan’ny anarany no nitsangana teo amoron’io ranomasina fitaratra io, mitana ny harp’Andriamanitra.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ary nahita aho fa indro, toa ranomasina fitaratra miharo afo, ary izay naharesy ka afaka tamin’ny bibidia sy ny sariny ary ny isa mariky ny anarany dia nitsangana teo amoron’ny ranomasina fitaratra, nitana lokangan’Andriamanitra.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Ary hitako nisy toa ranomasina fitaratra miharo afo; ka izay olona naharesy an’ilay biby sy ny sariny ary ny isa mifandraika amin’ny anarany dia nijoro teo amoron’io ranomasina fitaratra io sady nitana ny lokanga nomen’Andriamanitra azy.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Ary hitako nisy toa ranomasina fitaratra miharo afo; ka izay olona naharesy an’ilay biby sy ny sariny ary ny isa mifandraika amin’ny anarany dia nijoro teo amoron’io ranomasina fitaratra io sady nitana ny lokanga nomen’Andriamanitra azy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary nahita aho fa, indro, toa ranomasina fitaratra miharo afo, ary izay naharesy ka afaka tamin’ny bibi-dia sy ny sariny ary ny isan’ny anarany dia nitsangana teo amoron’ ny ranomasina fitaratra, nitana lokangan’Andriamanitra.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary nahita aho fa, indro, toa ranomasina fitaratra miharo afo, ary izay naharesy ka afaka tamin'ny bibi-dia sy ny sariny ary ny isan'ny anarany dia nitsangana teo amoron'ny ranomasina fitaratra, nitana lokangan'Andriamanitra.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ary nahita aho fa indro, toa ranomasina fitaratra miharo afo, ary izay naharesy ka afaka tamin’ny bibidia sy ny sariny ary ny isa mariky ny anarany dia nitsangana teo amoron’ny ranomasina fitaratra, nitana lokangan’Andriamanitra.

Jereo ny toko



Apokalipsy 15:2
14 Rohy Ifampitohizana  

Izaho dia manao batemy anareo amin’ny rano, ho amin’ny fibebahana; fa Ilay ho avy aoriako no mahery kokoa noho izaho, ary tsy mendrika hivimbina ny kapany akory aho; Izy no hanao Batemy anareo amin’ny Fanahy Masina sy ny afo;


ka rehefa voazaha toetra ny finoanareo izay ambony lavitra noho ny volamena (io anefa mba zahan-toetra amin’ny afo ihany na dia zavatra mety simba aza), dia ho hita fa manjary dera sy voninahitra ary haja ho anareo izany, amin’ny andro hisehoan’i Jesoa Kristy.


Ry malala, aza gaga amin’izany toa afo nirehitra tao aminareo ka nanjò anareo ho fitsapan-toetra, na mihevitra izany ho zavatra tsy fahita;


Nandresy azy ireo koa ny namantsîka noho ny Ran’ny Zanak’ondry sy ny teny nambarany ary ny tsy fitandroany ny ainy, na dia ho faty aza Izy.


Raha efa izany, dia nahita Biby anankiray niakatra avy amin’ny ranomasina aho; fito ny lohany, folo ny tandrony, satroboninahitra folo no teny an-tandrony, ary anarana fanevatevana an’Andriamanitra no tamin’ny lohany.


ary namitaka ny mponina amin’ny tany tamin’ny fahagagana nomena hataony teo anatrehan’ny Biby, nasainy nanao sarin’ilay Biby naratry ny sabatra nefa velona ihany, ny mponina eto an-tany;


mba tsy hisy hahazo hividy na hivarotra afa-tsy izay voaisy mariky ny anaran’ny Biby, na ny isan’ny anarany.


Vato jaspa no nanaovana ny mandan’ny tanàna; ary tena volamena madio toy ny fitaratra kristaly ny tanàna.


Nisy toa ranomasina fitaratra miendri-kristaly teo anoloan’ilay seza fiandrianana, ary Zava-manana aina efatra feno maso avokoa ny anoloany sy an-damosiny no teo afovoany sy nanodidina azy.


Nony nandray ny boky Izy; dia niankohoka teo anoloan’ny Zanak’ondry ny Zava-manana aina efatra sy ny Anti-dahy efatra amby roapolo, izay samy nanana lokanga sy lovia volamena feno zava-manitra, dia ny fivavahan’ny olo-masina izany.