Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Apokalipsy 13:5 - Baiboly Katolika

Ary nomena vava mitsaontsaona sy manevateva an’Andriamanitra izy, sady nomena fahefana hanaram-po roa amby efapolo volana.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Dia nomena lela miteny zavatra mihoa-pampana sy fitenenan-dratsy izy ary nomena fahefana mba hiasa roa amby efapolo volana.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Dia nomena vava midaondaona sy manevateva an’Andriamanitra ilay biby, sady nomena fahefana mba hiasa mandritra ny 42 volana.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Dia nomena vava midaondaona sy manevateva an’Andriamanitra ilay biby, sady nomena fahefana mba hiasa mandritra ny 42 volana.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Dia nomena lela miteny zavatra mihoa-pampana sy fitenenan-dratsy izy, ary nomena fahefana mba hiasa roa amby efa-polo volana.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Dia nomena lela miteny zavatra mihoapampana sy fitenenan-dratsy izy, ary nomena fahefana mba hiasa roa amby efa-polo volana.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Dia nomena lela miteny zavatra mihoa-pampana sy fitenenan-dratsy izy ary nomena fahefana mba hiasa roa amby efapolo volana.

Jereo ny toko



Apokalipsy 13:5
17 Rohy Ifampitohizana  

Mifampilaza lainga no ataon’ny olona; molotra mandrobo sy feo mamorom-pitaka no itenenany.


Nihaika Ahy ianareo tamin’ny lahateninareo; sady nanamaro ny teninareo, namely Ahy. Izaho kosa efa nandre izany!


Aza mety hofitahin’olona velively, fa tsy maintsy hitranga aloha ny fivadiham-be, sy hiseho ny olom-pahotana, dia ilay zanaky ny fahaverezana.


izay mitsangan-ko fahavalo sy manandra-tena ho ambonin’izay rehetra atao hoe Andriamanitra na ivavahana, ary sahy mipetraka ao amin’ny Tempolin’Andriamanitra sy maneho ny tenany ho Andriamanitra aza.


ka dia hiseho amin’izany ilay ratsy, ka holevonin’i Jesoa amin’ny fofon’ain’ny vavany, sy hofoanany amin’ny fisehoan’ny fahatongavany.


Ary rehefa vita ny fanambaràn’izy ireo, dia hiady aminy ilay Biby hiakatra avy amin’ny lavaka tsy hita noanoa, ka haharesy azy sy hahafaty azy;


Nomena ela-boromahery lehibe roa anefa Ravehivavy, mba hanidinany ho any an’efitra amin’ny fitoerany, izay namelomana azy fotoana iray, sy fotoana roa, ary antsasaky ny fotoana, mba tsy hahitan’ilay menarana azy.


Fa Ravehivavy kosa nandositra nankany an’efitra, fa any no nanamboaran’Andriamanitra toerana ho azy, mba hamelomana azy mandritra ny enimpolo amby roan-jato sy arivo andro.


Nomena fahefana hiady amin’ny olo-masina sy handresy ireo koa izy; ary nomena fahefana tamin’ny foko rehetra, sy ny fanjakana mbamin’ny samy hafa fiteny sy ny firenena rehetra.