Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Apokalipsy 10:6 - Baiboly Katolika

ka nianiana tamin’ilay Velona mandrakizay mandrakizay, dia Ilay nahary ny lanitra mbamin’izay ao aminy, sy ny tany mbamin’izay ao aminy ary ny ranomasina mbamin’izay ao aminy, fa tsy hisy andro intsony;

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

ka nianiana tamin’Izay velona mandrakizay mandrakizay, dia Ilay nahary ny lanitra sy ny ao aminy, ny tany sy ny ao aminy ary ny ranomasina sy ny ao aminy, fa tsy hisy fotoana andrasana intsony,

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

sady nianiana tamin’Ilay velona mandrakizay mandrakizay, dia Ilay nahary ny habakabaka mbamin’izay ao aminy, sy ny tany mbamin’izay ao aminy, ary ny ranomasina mbamin’izay ao aminy; ka hoy ilay anjely hoe: –Tsy hisy hataka andro intsony!

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

sady nianiana tamin’Ilay velona mandrakizay mandrakizay, dia Ilay nahary ny habakabaka mbamin’izay ao aminy, sy ny tany mbamin’izay ao aminy, ary ny ranomasina mbamin’izay ao aminy; ka hoy ilay anjely hoe: –Tsy hisy hataka andro intsony!

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

ary nianiana tamin’Izay velona mandrakizay mandrakizay, dia Ilay nahary ny lanitra sy ny ao aminy ary ny tany sy ny ao aminy ary ny ranomasina sy ny ao aminy fa tsy hisy andro intsony;

Jereo ny toko

Malagasy Bible

ary nianiana tamin'izay velona mandrakizay mandrakizay, dia Ilay nahary ny lanitra sy ny ao aminy ary ny tany sy ny ao aminy ary ny ranomasina sy ny ao aminy fa tsy hisy andro intsony;

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

ka nianiana tamin’Izay velona mandrakizay mandrakizay, dia Ilay nahary ny lanitra sy ny ao aminy, ny tany sy ny ao aminy ary ny ranomasina sy ny ao aminy, fa tsy hisy fotoana andrasana intsony,

Jereo ny toko



Apokalipsy 10:6
14 Rohy Ifampitohizana  

Fa hoy i Abrama tamin’ny mpanjakan’i Sôdôma: «Izaho efa nanangan-tanana tamin’i Iaveh Andriamanitra avo indrindra, Izay nahary ny lanitra sy ny tany,


Satria ny andro enina no nanaovan’i Iaveh ny lanitra, ny tany, ny ranomasina, mbamin’izay rehetra ao aminy, fa ny andro fahafito nitsaharany, ka izany no nanasoavan’i Iaveh ny andro sabata sy nanamasinana azy.»


Hampidiriko any amin’ny tany efa nianianako homena an’i Abrahama sy i Isaaka ary i Jakôba ianareo, homeko ho fanananareo izany: Izaho no Iaveh.»


ka lazao aminy hoe: Izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Tamin’ny andro nifidianako an’i Israely sy nananganako tanana homba ny taranak’i Jakôba, sy nanaovako izay hahalalany Ahy tany amin’ny tany Ejipta, ary nananganako tanana homba azy ireo, nanao hoe: Izaho no Iaveh Andriamanitrareo;


dia tsy hisy hiditra amin’ny tany izay nianianako fa hamponenana anareo, afa-tsy i Kaleba, zanak’i Jefone, sy i Jôsoe zanak’i Nona.


efa maty Aho, nefa indro velona mandrakizay mandrakizay, sady manana ny fanalahidin’ny fahafatesana sy ny Afobe.


Koa mifalia, ry lanitra, mbaminareo monina ao aminy. Fa hahita loza kosa ianareo, ry tany aman-dranomasina, fa navarina any aminareo ny devoly, misafoaky ny hatezerana lehibe, satria fantany fa kely sisa ny androny.»


Raha efa izany, nandraraka ny tao anaty kapoakany tamin’ny rivotra ny Anjely fahafito, dia nisy feo mahery nivoaka avy tao amin’ny Tempoly, teo amin’ny seza fiandrianana, nanao hoe: «Vita.»


Nanaraka izany, dia hoy Izy tamiko: «Vita izany. Izaho no Alfà sy Omegà, fiandohana sy fiafarana. Hampisotroiko maimaim-poana amin’ny loharanon’aina izay mangetaheta.


ireo Anti-dahy efatra amby roapolo kosa dia miankohoka eo anoloan’ilay mipetraka amin’ny seza fiandrianana koa, sy mitsaoka an’ilay Velona mandrakizay mandrakizay, ary manipy ny satroboninahiny eo anoloan’ny seza fiandrianany, ka manao hoe:


«Ianao, ry Tomponay sy Andriamanitray no mendrika handray ny haja amam-boninahitra ary fahefana, fa Ianao no nahary ny zavatra rehetra, ary noho ny sitraponao ihany no nisiany sy naha-àry azy.»


Nony injay ireo Zava-manana aina manome haja amam-boninahitra sy saotra an’Ilay mipetraka eo ambonin’ny seza fiandrianana sy velona mandrakizay mandrakizay,


Dia nomena akanjo fotsy iray avy izy ireo, sy nasaina niandry kely aloha mandra-pahafenon’ny isan’ny mpanompo namany sy ny havany, izay hovonoina toa azy koa.