Ny fehin-kibo tambonin’ny efôda famehezana azy dia iray aminy, mitovy tenona aminy, natao tamin’ny volamena, jaky volomparasy, jaky mangatrakatraka, lamba mena antitra ary rongony mihasina, araka ny nandidian’i Iaveh an’i Môizy.
Apokalipsy 1:13 - Baiboly Katolika Ary teo afovoan’ireo fanaovan-jiro ireo, dia nisy anankiray toy ny Zanak’olona, niakanjo akanjo rebareba, nietra fehikibo volamena teo amin’ny tratrany; Baiboly Protestanta Malagasy 2011 ary teo afovoan’ny fitoeran-jiro dia nisy Iray tahaka ny Zanak’Olona niakanjo akanjo lava hatrany an-tongony sady nitondra fehikibo volamena teo amin’ny tratrany. DIEM PROTESTANTA ary teo afovoan’ireo fitoeranjiro ireo dia nisy tahatahaka ny Zanak’olona, niakanjo akanjo lava, nanao etra volamena manodidina ny tratrany; Dikateny Iombonana Eto Madagasikara ary teo afovoan’ireo fitoeranjiro ireo dia nisy tahatahaka ny Zanak’olona, niakanjo akanjo lava, nanao etra volamena manodidina ny tratrany; Baiboly Protestanta Malagasy ary teo afovoan’ny fanaovan-jiro dia nisy Anankiray tahaka ny Zanak’olona niakanjo akanjo lava hatrany an-tongony sady nisikina fisikinam-bolamena teo amin’ny tratrany. Malagasy Bible ary teo afovoan'ny fanaovan-jiro dia nisy Anankiray tahaka ny Zanak'olona niakanjo akanjo lava hatrany an-tongony sady nisikina fisikinam-bolamena teo amin'ny tratrany. La Bible en Malgache ary teo afovoan’ny fitoeran-jiro dia nisy Iray tahaka ny Zanak’Olona* niakanjo akanjo lava hatrany an-tongony sady nitondra fehikibo volamena teo amin’ny tratrany. |
Ny fehin-kibo tambonin’ny efôda famehezana azy dia iray aminy, mitovy tenona aminy, natao tamin’ny volamena, jaky volomparasy, jaky mangatrakatraka, lamba mena antitra ary rongony mihasina, araka ny nandidian’i Iaveh an’i Môizy.
Ary i Aarôna nampiakanjoiny ny akanjo anatiny, noetràny ny fehikibo, nampiakanjoiny ny akanjo lava, nosalorany ny efôda izay nogiaziny tamin’ny fehin’efôda, ary nafatony teo aminy.
Satria tsy mpisorom-be tsy mahalala mangoraka ny fahalementsika no antsika; fa efa nalaim-panahy tahaka antsika tamin’ny zavatra rehetra izy, afa-tsy ny fahotana.
Dia nijery aho, ka indro nisy rahona fotsy, ary teo amboniny nisy olona nipetraka sahala amin’ny Zanak’olona; satroboninahitra volamena no teny an-dohany, antsy fijinjana maranitra no teny an-tanany.
ka nivoaka avy tao amin’ny tempoly ny Anjely fito nitondra ny loza fito; niakanjo rongonim-bazaha fotsy mamirapiratra izy ireo, ary nietra fehikibo volamena nanodidina ny tratrany.
Manorata ho an’ny Anjelin’ny Eglizin’i Efezy: Izao no lazain’Ilay mitana ny kintana fito eo an-tanany ankavanana, sy mandeha eo afovoan’ny fanaovan-jiro volamena fito: