Amosa 2:3 - Baiboly Katolika Hofoanako tsy hisy mpitsara ao aminy ary hovonoiko miaraka aminy avokoa ny mpifehy ao aminy,» hoy i Iaveh. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 hofoanako tsy hisy mpitsara ao aminy ary hataoko indray mamono izy sy ireo mpanapaka rehetra ao, hoy NY TOMPO. DIEM PROTESTANTA Haringako ilay mpitsara ao aminy ary hovonoiko miaraka aminy koa ireo manamboninahiny rehetra. Izaho Tompo no miteny.» Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Haringako ilay mpitsara ao aminy ary hovonoiko miaraka aminy koa ireo manamboninahiny rehetra. Izaho Tompo no miteny.» Baiboly Protestanta Malagasy Ary hofoanako tsy hisy mpitsara ao aminy, Ary hiaraka hovonoiko izy sy ireo mpanapaka rehetra ao aminy, hoy Jehovah. Malagasy Bible Ary hofoanako tsy hisy mpitsara ao aminy, ary hiaraka hovonoiko izy sy ireo mpanapaka rehetra ao aminy, hoy Jehovah. La Bible en Malgache hofoanako tsy hisy mpitsara ao aminy ary hataoko indray mamono izy sy ireo mpanapaka rehetra ao, hoy NY TOMPO. |
Nefa tsy ho ela dia havarina, manaraka ny vatolampy, ny lehiben’ireny; ary handre ny teniko ny olona, fa mahafinaritra izany.
Hahatsinontsinona ny mpanapaka Izy, sy hampanjary zava-poana, ny mpitsara amin’ny tany.
Fa noho ianao nitoky tamin’ny asan-tananao aman-drakitrao, dia ho lasan’ny hafa koa ianao; ary indray ho lasan-ko babo i Kamosy mbamin’ny mpisorona amam-pilohany rehetra.
Fa fantatro fa maro ny helokareo ary lehibe ny fahotanareo, ianareo izay mampahory ny marina sy mandray kolikoly, ary mampandefitra ny rariny momba ny mahantra eo am-bavahady.
Moa ny vatolampy ihazakazahan’ny soavaly, na ampiasana ny omby va izany? no dia navadikareo ho poizina ny hitsiny, ary ho abisinta ny vokatry ny rariny.
Hitako izy, fa tsy toy ny ankehitriny, Tazako izy fa tsy mba akaiky. Misy kintana iray miposaka avy amin’i Jakôba, Tehim-panjakana iray mitsangana avy amin’i Israely. Mandrava an’i Moaba eo an-daniny roa izy, Ary mandringana ny zanaky ny fitabatabana rehetra.