Nandefa iraka nankany amin’i Davida i Hirama mpanjakan’i Tira, sy nampitondra hazo sedera, ary naniraka mpandrafitra sy tambato hanao trano ho an’i Davida.
Amosa 1:9 - Baiboly Katolika Izao no lazain’i Iaveh: «Noho ny heloka telo nataon’i Tira - sy noho ny efatra - tsy hahemotro ny didy, satria nanolotra olona babo an’andiany mihitsy ho any Edôma izy, fa tsy nahatsiaro fanekem-pirahalahiana, Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Izao no lazain’NY TOMPO: Noho ny fahotana telon’i Tiro, eny, efatra aza, dia tsy hotsoahako ny fitsarana satria natolony an’i Edoma ny babo rehetra ary tsy notsarovany ny fanekem-pirahalahiana; DIEM PROTESTANTA Izao no lazain’ny TOMPO: «Fahotana mifanesy no vitan’ny mponin’i Tiro, fa indrindra ity anankiray ity: Natolony ho babo ho an’ny Edômita avokoa ny iray tanàna manontolo, fa tsy notsarovany ny fanekem-pirahalahiana nataony tamin’i Israely. Noho izany, dia tsy hahemotro ny sazy momba azy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Izao no lazain’ny TOMPO: «Fahotana mifanesy no vitan’ny mponin’i Tiro, fa indrindra ity anankiray ity: Natolony ho babo ho an’ny Edômita avokoa ny iray tanàna manontolo, fa tsy notsarovany ny fanekem-pirahalahiana nataony tamin’i Israely. Noho izany, dia tsy hahemotro ny sazy momba azy. Baiboly Protestanta Malagasy Izao no lazain’i Jehovah: Noho ny fahotana telon’i Tyro, eny, efatra aza, Dia tsy havelako izy, Satria natolony ho any Edoma ny babo rehetra, Ary tsy notsarovany ny fanekem-pirahalahiana; Malagasy Bible Izao no lazain'i Jehovah: noho ny fahotana telon'i Tyro, eny efatra aza, dia tsy havelako izy, satria natolony ho any Edoma ny babo rehetra, ary tsy notsarovany ny fanekem-pirahalahiana; La Bible en Malgache Izao no lazain’NY TOMPO: Noho ny fahotana telon’i Tiro, eny, efatra aza, dia tsy hotsoahako ny fitsarana satria natolony an’i Edoma ny babo rehetra ary tsy notsarovany ny fanekem-pirahalahiana; |
Nandefa iraka nankany amin’i Davida i Hirama mpanjakan’i Tira, sy nampitondra hazo sedera, ary naniraka mpandrafitra sy tambato hanao trano ho an’i Davida.
ny mpanjaka rehetra any Tira, ny mpanjaka rehetra any Sidona, mbamin’ny mpanjakan’ny nosy any an-dafin’ny ranomasina;
Izany dia noho ny fahatongavan’ny andro handringanana ny Filistinina rehetra; handripahana an’izay sisa amin’ny mpikambana amin’i Tira sy i Sidona; fa horavan’i Iaveh ny Filistinina, izay sisa amin’ny nosy Kaftôra.
Ny harenao, ny varotrao, ny entanao, ny mpiantsambonao amam-panamory eo aminao, ny mpamboatra sambo sy ny mpanelanelam-barotrao, ny lehilahy mpiady rehetra izay eo aminao, mbamin’ny vahoaka zavon-tany izay eo afovoanao, dia ho latsaka ao anatin’ny ranomasina amin’ny andro hianjeranao.
Noho ny fitomboan’ny helokao, tamin’ny tsy fahamarinan’ny varotrao, dia novetavetainao ny fitoeranao masina, ka namoaka afo teo afovoanao Aho, ka izy no nandevona anao; dia nampanjarîko lavenona eny ambonin’ny tany ianao, eo imason’izay rehetra nahita anao.
Izao no lazain’i Iaveh: «Noho ny heloka telo nataon’i Edôma, - sy noho ny efatra - tsy hahemotro ny didy. Satria nanenjika ny rahalahiny tamin’ny sabatra izy, fa namono ny fangoraham-po ary satria mamiravira lalandava ny hatezerany sy mitahiry ny lolom-pony hatramin’ny farany,
Izao no lazain’i Iaveh: «Noho ny heloka telo nataon’i Gazà, - sy noho ny efatra, - tsy hahemotro ny didy. Satria olona babo an’andiany mihitsy no nentiny nataony sesitany mba hatolony ho any Edôma,
Tamin’ny andro nitsangananao nanandrify azy, tamin’ny andro nitondran’ny fahavalo ny miaramilany, sy nitsofohan’ny hafa firenena amin’ny vavahadiny, ka nanaovany loka an’i Jerosalema, dia toy ny iray tamin’ireny koa ianao.
Teny fitsarana. Tenin’i Iaveh mamely ny tany Hadràky; ary ao Damasa no ho fonenany, - fa ny mason’i Iaveh dia eo amin’ny olona, sy eo amin’ny fokon’i Israely rehetra; -
ka nataony hoe: «Mila loza ianao, ry Kôrôzaina, ry Betsaida! fa raha izay no tany Tira sy Sidona no natao ny fahagagana natao taminareo, dia efa ho nibebaka ela tamin’ny akanjo malailay sy tamin’ny lavenona izy.
Koa lazaiko aminareo, fa amin’ny andron’ny fitsarana, dia ho moramora kokoa ny hatao amin’i Tira sy i Sidona noho ny hatao aminareo.
«Mila loza ianao, ry Kôrôzaina, ry Betsaida! fa raha izay no natao tany Tira sy Sidona ny fahagagana natao taminareo, dia ela no ho efa nibebahany tamin’ny akanjo malailay sy tamin’ny lavenona.
Noho izany, amin’ny andro fitsarana dia ho moramora kokoa ny ho amin’i Tira sy Sidona noho ny ho aminareo.