Fa hoy i Iaveh taminy: «Mandehana amin’ny dianao indray ho any amin’ny efitr’i Damasa; ka rehefa mby any ianao, hosory ny mpanjakan’i Siria, i Hazaela,
Amosa 1:4 - Baiboly Katolika dia handefaso afo ny tranon’i Hazaely ka handevona ny lapan’i Ben-Hadada izany. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 handefasako afo ny tranon’i Hazaela ka handevona ireo lapan’i Beny-Hadada izany. DIEM PROTESTANTA «Handefasako afo ny lapan’i Hazaela mpanjaka, ka ho levon’izany koa ny trano-fiarovan’i Bena-Hadada mpanjaka. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara «Handefasako afo ny lapan’i Hazaela mpanjaka, ka ho levon’izany koa ny trano-fiarovan’i Bena-Hadada mpanjaka. Baiboly Protestanta Malagasy Fa haterako afo ny tranon’i Hazaela, Ka handevona ny tranoben’i Beni-hadada izany. Malagasy Bible Fa haterako afo ny tranon'i Hazaela, ka handevona ny tranoben'i Beni-hadada izany. La Bible en Malgache handefasako afo ny tranon’i Hazaela ka handevona ireo lapan’i Beny-Hadada izany. |
Fa hoy i Iaveh taminy: «Mandehana amin’ny dianao indray ho any amin’ny efitr’i Damasa; ka rehefa mby any ianao, hosory ny mpanjakan’i Siria, i Hazaela,
Nalain’i Jôasa zanak’i Jôakaza teo an-tanan’i Benhadada zanak’i Hazaela ireo tanàna nalain’i Hazaela tamin’ny adin’izy sy i Jôakaza rainy. Namely azy intelo i Jôasa dia azony indray ny tanànan’i Israely.
Ka nirehitra tamin’i Israely ny fahatezeran’i Iaveh dia natolony teo an-tanan’i Hazaela mpanjakan’i Siria sy teo an-tanan’i Benhadada zanak’i Hazaela mandrakariva izy.
Taorian’izany, novorin’i Benhadada mpanjakan’i Siria ny tafiny rehetra, dia niakatra nanao fahirano an’i Samaria izy.
Dia namoaka volafotsy sy volamena tao amin’ny rakitry ny tranon’i Iaveh sy ny tranon’ny mpanjaka i Asà, ka nandefa iraka ho any amin’i Ben-Hadada, mpanjakan’i Siria, izay nonina tany Damasa, hilaza hoe:
Fa raha tsy mihaino Ahy ianareo, tsy mankamasina ny andro sabata, mitondra entana na iray ihany aza, raha miditra ny vavahadin’i Jerosalema amin’ny andro sabata, dia handrehitra afo eo am-bavahadin’ny tanàna Aho, handevona ireo lapa ao Jerosalema, ary tsy ho faty io afo io.»
Handrendrika afo ao anatin’ny mandan’i Damasa Aho, ka handevona ny lapan’i Bena-Hadada izany.
Dia ho fantatry ny olona fa Iaveh Aho, raha avy izay handoroako an’i Ejipta sy hahatorotoro an’izay rehetra manampy azy.
Handefa afo ho any amin’ny tany Magôga Aho sy ho any amin-dry zareo monina feizay any amin’ireo nosy, ka ho fantany fa Iaveh Aho.
Nanadino ny mpanao azy i Israely, ka nanorina lapa; nanamaro ny tanàna mimanda i Jodà. Fa handefa afo ao an-tanànany Aho, ka handevona ireo rovany izany.
hampirehitra afo ao ambonin’ny mandan’i Rahaba Aho, ka handevona ny lapany izany, eo amin’ny akoran’ady toy ny amin’ny andro iadiana, sy eo amin’ny rivo-mahery mitambolimbolina amin’ny andron’ny tafio-drivotra.
dia handefa ny afo ho ao amin’i Moaba Aho, ka handevona ny lapan’i Kariota izany; ary i Moaba ho faty ao anatin’ny tabataba be, sy ny akoran’ady, mbamin’ny feon-trômpetra.
ary nampianjeran’Andriamanitra tamin’ny lohan’ny mponina tao Sikema, ny haratsiany rehetra. Izany no niharan’ny ozona nataon’i Joatama zanak’i Jerobaala tamin’izy ireo.